Alarobia 23 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Mahareta ambara-pahafaty, hoy ny Tompo, dia homeko anao ny satro-boninahitry ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 12-19

Fantatr'i Jesoa tsara ny fanesona sy ny fanenjehana mety hahazo ireo mpianany noho ny fitoriana ny Anarany. Tsy voatery ny rehetra mantsy no hanaiky ny Evanjely torina.

Aoka àry tsy horaisintsika ho faharesena na fahoriana izay endrim-panenjehana mahazo antsika fa tokony ho hafaliana aza satria izay no mitondra any amin’ny fiainana mandrakizay. Mampianatra antsika àry i Jesoa fa mila finoana sy faharetana ary fiaretana ny manara-dia Azy. I Kristy izay arahantsika àry, nenjehina sy nampijaliana, mainka ve fa isika izay tsinontsinona akory. Ireo fotoan-tsarotra izay diavintsika àry no asehon'i Jesoa, indrindra ny herin’ny fanahiny ho an’izay matoky Azy. Eo indrindra àry no tokony hivavaka sy hiombom-piainana bebe kokoa Aminy. Mila maharitra àry araka izany, raha te ho mpianatr'i Kristy, na inona na inona mitranga eo amin’ny fiainana, indrindra ao anatin’ny tena sarotra.

Ny fijaliana sy ny fahoriana iaretantsika noho i Jesoa, dia hakambantsika amin’ny fijaliany ihany koa. Resiny mantsy izany tamin'izy nitsangan-ko velona. Hoy i Masindahy Paoly izay mantsy hoe, rehefa miara-maty amin'i Kristy isika dia hiara-belona Aminy koa.

Tompo ô, aoka ny fahoriana izay iaretanay mpianatrao mba hanampy anay tsy hisaraka Aminao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...