11 febroary 2024 — Alahady Tsotra fahenina Mandavantaona — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 40-45)

Tsapa amin’ity sombina Evanjely ity fa manasitrana ny rofintsika ny Tompo, manala antsika amin’ny geja mahazo antsika. Tsara ho marihina aloha fa tsy afaka mifanatona sy mifandray ny boka sy ny olona salama tamin’ny andron’ny Jody taloha araka ny voalazan’ny Testamenta Taloha (Eks 13-14). Tsy maintsy mamelona lakolosy ireo boka rehefa tsy maintsy handalo ka mihatakataka izay tsy boka mba tsy hampaloto azy. Saingy tsy nahasakana ity boka ity izany fa niroso nanatona an’i Jesoa izy, nandohalika teo anatrehany ka tsy i Jesoa no lasa naloto fa afaka kosa ny habokan’ilay olona. Manafaka antsika amin’ny geja mamatotra antsika Andriamanitra. Ka aoka tsy hisy hahasakana antsika hanatona Azy; satria mangoraka antsika Izy. Isika mantsy bokam-pahotana matetika, toa tandra vadin-koditra ny fahotana. Fa na izany aza, izay mitondra izany eo anatrehan’Andriamanitra tsy hiverina maina fa hadio. Mova tsy izany no ambaran’ny Sakramentan’ny Fampihavanana: mandohalika eo anatrehan’ny pretra isika hanambara ny fahotantsika, manatanteraka ny fombam-pivavahana fanao amin’ny kônfesy, tahaka ny nataon’ity boka ity, manambara hoe: “Raha mety Ianao dia mahay manadio ahy”, ka ny tanan’ny pretra mitso-drano, amin’ny alalan’ny famantaran’ny hazofijaliana, toa milaza hoe: “Mety Aho, madiova ianao.” Fa ny habokantsika kosa mety ho maro karazana fa tsy tokana nefa samy azo avela izany raha tena mibebaka marina isika, afa-tsy ireo tsy maintsy mandalo dingana ambonimbony kokoa, noho ny antony efa fantantsika tsy ambara eto. Misy koa anefa tena habokana tsy tiantsika ialàna efa an-taonany maro, toy ny tokantrano imaso, ohatra, nefa mbola azo diovina tsara, fa ao koa ireo tsy mahalala ny tenany hoe boka satria efa miaina sy mivelona amin’ny habokany diso tafahoatra ka toa tsy maharary azy intsony. Mila sitranina avokoa ireny rehetra ireny. Araraoty izao fotoana izao ialàna amin’izany. Tsy mila lakolosy hampanenoina intsony fa ny fo mivalo sy manenina no ilaina, hany vahaolana ny fanatonana ny Sakramentan’ny Fampiahavanana amin’ny alalan’ny pretra. Tsy ampy mantsy, indrindra ho antsika katôlika, ny milaza mivantana ny fahotana amin’Andriamanitra fa ilaina ny manatona ny pretra mba hahazo famotsorana. Ireo miaina anaty toe-pahotana mahafaty toy ny tokantrano imaso no tsy afaka mikônfesy satria tsy misy famotsorana azo omena azy. Tsy maintsy vahana aloha ny fototr’aretina raha tiana ny ho sitrana amin’izany. Tsiahivina eto fa tian’i Jesoa mandrakariva isika mpanota fa ny fahotana no halany ka mila mibebaka amin’izany. Tsy miandriandry fa miarina haingana araka izay azo atao eo amin’izay mahalavo. Koa aoka isika tsy hiandry fiaraha-mibebaka vao hikônfesy. Aoka tsy hiandry haloto be vao midio, fa atao matetika araka izay tratra.

Mitohy ihany ny Evanjely: “Dia nampandeha azy niaraka tamin’izay i Jesoa”. Toy izany koa: faranan’ny mpampikônfesy hoe: “Mandehana am-piadanana” rehefa vita ny kônfesintsika. Fiadanana tokoa no azon’izay manao kônfesy tsara. Satria efa tonga olom-baovao. Nanafatra i Jesoa rehefa sitrana ilay olona hoe: “Tandremo, aza milaza izany na amin’iza na amin’iza ianao…” “Kanjo nony lasa ralehilahy dia nilazalaza sy nampiely izany hatraiza hatraiza”. Azo lazaina fa nanary fahasoavana ihany ity olona ity satria tsy nanaraka ny tenin’i Jesoa taminy ka nahatonga an’i Jesoa “tsy afa-niditra niharihary tao an-tanàna intsony”. Tandremo sao ny fahasoavana azo kanefa atosika hiala eo amin’ny fiainana i Jesoa amin’izay atao avy eo. Tadidio tsara fa rehefa vita ny kônfesintsika dia vao mainka romotra ny Demony, “Mova tsy liona noana mitady izay harapany”, (1 Pi 5, 8) satria tafahavana indray amin’Andriamanitra, voatsipaka ambava fo Ilay Ratsy, ka “finoana mafy orina no entina manohitra azy”. Mila miambina mandrakariva isika.

Fa hitondra am-bavaka ireo marary rehetra isika amin’izao andro maneran-tany ho an’ny marary izao. Mankahery azy ireny. Alao hery àry!

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...