7 febroary 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny fanambaràna avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 14-23)

Avy aiza no mahaloto ny olona? Avy amin’ny zavatra na olona nifampikasoka taminy ve? Io fanontaniana io no valian’i Jesoa Kristy anio. Toa milaza ny fototry iavian’ny fahotana ity fanontaniana ity. Betsaka amintsika no mamaly avy hatrany fa hoe avy amin’ny olona satria ireo no maka fanahy antsika sy manosika na manery antsika mihitsy aza ny hanotantsika. Tsy mba izany no valintenin’i Jesoa eto satria lazainy fa avy amin’ny fo ny fahotana. Ao amin’ny fo mantsy no itoeran’ireo karazam-panirian-tsara sy fanirian-dratsy.

Manome lanja ny fahafahantsika olombelona misafidy io valintenin’i Jesoa io. Manan-tsafidy hanao ny soa sy ny tsara isika ary matetika no misafidy ny ratsy. Fa valinteny maneho ny maha tompon’andraikitra antsika manoloana ny fihetsika sy fiteny ary ny safidintsika ihany koa izany, mba hilazana fa tsy avy any ivelany velively ny fahotana fa safidim-ponao manoloana ny fanangolen’i Satana sy ny fakam-panahy isan-karazany.

Valim-panontaniana maniraka antsika hamotopototra ny fironan’ny fo ihany koa io valim-panontanian’i Jesoa anio ity. Tiany hamantatra ny fironan’ny fontsika isika, fa sao entanim-po samirery rehefa manatanteraka zavatra. Zava-dehibe noho izany ny fitaizana ny fo, satria toerana onenan’ny eritreritra sy sitrapo ary ny fihetsika hotanterahina eo amin’ny fiainana. Mila zarina amin’ny zava-tsoa sy tsara izy io fa izany no antoky ny hoavintsika ihany koa.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...