26 janoary 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahatelo Mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 4, 26-34)

“Mamafy voa ny mpamafy ary matory, ny voa mitsimoka sy mitombo nefa tsy fantany izay faniriny.” Mitohy ny fampianaran’i Jesoa momba ny fanjakan’ny lanitra. Ambaran’i Masindahy Marka mazava anefa fa tahaka ny zava-boahary ny fanjakan’Andriamanitra, mety ho lasa hazobe hialofan’ny voro-manidina, saingy tsy maintsy afafy aloha ny voa (and. 26) dia avy eo mitsimoka sy mitombo (and. 27-28) ka hahazoantsika izay vokatra nandrasana (and. 29).

Henontsika tamin’ny alarobia lasa teo fa namafazan’ny mpamafy daholo ny toerana rehetra. Tsy mampaninona na aiza na aiza hilatsahany: henontsika fa ny sasany latsaka teny amin’ny lalana, ny sasany latsaka teny amin’ny tany be vato, ny sasany latsaka anaty tsilo. Entina ilazana ny hafalian’ilay mpamafy izany, tsy mifidy ny fahamendehan’ny fontsika mba hamafazany ny teniny. Ny olon-drehetra, ny firenena rehetra no hamafazany ny teniny. Fa ny fahavononatsika hanokatra fontsika hitoeran’ny teniny no hampamokatra Azy. Henontsika teo mantsy fa ity voa ity rehefa tafalatsaka amin’ny tany dia afaka mitombo tsikelikely ary tonga hazo lehibe hitoeran’ny voromadinina aza. Tiany hampitaina amintsika amin’izany ny hery ao anaty hahafahan’ny voa mitsimoka sy mamokatra samirery, na matory na mifoha ny olona. Ny angatahana dia ny faharetana. Mila faharetana mba hahitana ny fitsiriana sy ny fitomboan’ny voa: ny tahony aloha, vao salohy tonga mandratsana lehibe. Ohatra izany fihitaran’ny fanjakan’Andriamanitra rehefa vonona handray ny tenin’Andriamanitra ao am-pontsika isika rehetra. Miasa ny herin’ny Fanahy Masina, ary na aiza na aiza torìna ny Teny dia mitsimoka sy miorim-paka ny Fanjakan’Andriamanitra. Satria manana hery hitombo tahaka ny voan-tsinapy ny Tenin’Andriamanitra.

Aoka àry isika hangataka hatrany ny fahasoavan’Andriamanitra mba hafahantsika manokatra ny fontsika hitoeran’ny Teniny ka hitomboany sy hamokarany eo amin’ny fiainantsika ka hitombo sy hihitatra tokoa fanjakan’Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 nôvambra 2024

  • Nifarana ny 15 nôvambra 2024, ny Fihaonamben'ny Ekipan'ny Aumônerie Catholique des Prisons, izay notanterahana teny amin'ny Cénacle Ambohipo...
  • Nosokafana sy notokanana ny 17 nôvambra 2024, ny Distrika vaovao ao amin'ny EKAR Ave Maria Ampandroantsiriry, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Voalahatra handalo fotsiny izao rehetra izao, fa i Kristy no mitoetra mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus, ny 18 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...