10 desambra 2023 — Alahady faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny alehany; dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 1-8)

Ambaran’i Masindahy Marka eto fa i Jesoa Kristy Ilay ho avy, ary Zanak’Andriamanitra Izy. Vaovao Mahafaly tokoa izany satria Andriamanitra mihitsy no tonga sy miditra eo amin’ny fiainantsika olombelona. Ny hafaliana haterak’izany anefa tsy feno, ary tapany ihany, raha tsy vonona ny toe-po sy ny toe-panahy entina mandray izany. Dia izay no nanirahan’Andriamanitra an’i Joany Batista mba hialoha làlana an’i Jesoa, hiantso fibebahana ho antsika, hanamboatra ny làlan’i Kristy. Satria efa voalazan’i Izaia Mpaminany fa ny làlan’ny Tompo dia mahitsy. Koa tsy maintsy ahitsy hifanaraka amin’izany ihany koa ny fontsika mandray Azy. Ilàna finiavana lehibe dia lehibe tokoa ny fiovana eo amin’ny fiainana mahazatra. Satria ny fibebahana dia fiovam-piainana tanteraka. Kanefa, “ny tànana zatra mitsotra, tsy afa-mivonkona intsony”, hoy ny fitenenana. Toy izany koa saingy mifanohitra, “ny tànana zatra mivonkona, tsy afa-mitsotra intsony”. Ka eo tokoa no ilàna finiavana sy famolahan-tena mba hiovana. Dia izany no sary hasehon’ny Evanjely eto.

Noho izany, ny fibebahana dia mitaky finiavana. Ny finiavana voalohany dia ny fiekena ny fahotana. Tsy misy ny fahatsoram-piainana raha tsy misy fiekena izay natao. Ary izay fahatsoram-piainana izay no atao hoe làla-mahitsy, tian’i Kristy aleha. Ny finiavana takiana faharoa dia ny fihetsika. Mila mihetsika mihitsy miala amin’ny làlana tsy mety teo aloha; izany hoe mandeha ary manatona ny làla-mahitsy, mitady famelan-keloka, fa tsy vitan’ny mitoretra na mijanom-potsiny eo. Dia jereo fa izany no nataon’ireo mponin’i Jerosalema sy ny tany Jodea rehetra eto. “Nandeha ary nanatona an’i Joany Batista rehefa niaiky ny fahotany”. Ny takiana fahatelo tsy azo ialana amin’izay finiavana izay ihany koa dia ny famolahan-tena. Tsy hita soritra ny endriky ny fibebahana atao raha tsy misy famolahan-tena ara-batana. Dia izay no asehon’i Joany Batista eto: fitafiana tsy mahazatra no tafiana, “volon-drameva”; miaraka amin’ny “fehikibo hoditra”. Izany no midika fa fehezina ny tena, fehezina ny vatana mba tsy ho mora voatariky ny fironan’ny nofo fotsiny, izay mora mandavo antsika kokoa. “Valala sy tantely remby no fihinany”; izany hoe izay tena mahavelona sy ampy hivelomana no tadiavina fa tsy mitady ny mihoapampana. Izany no midika fa rehefa hiova fiainana, manamboatra ny làlan’ny Tompo dia mila mahonon-tena, mahay mionona amin’izay tena mahasoa mba hahavonjy ny Fanahy. Satria lazain’i Joany eto fa ny hahavonjy ny fanahintsika, ny hahamasina ny fanahintsika no hataon’i Jesoa rehefa tonga Izy, rehefa hanao Batemy antsika Izy. “Izy kosa hanao Batemy anareo amin’ny Fanahy Masina”.

Koa ny fanamboarana ny làlan’ny Tompo dia tsy vitan-tsetsetra na sentontsentom-po fa ilàna finiavana sy fandavan-tena, ilàna famolahan-tena hiova, handresy ny fakam-panahy ary manatona an’Andriamanitra mba hanaiky hovany marina tokoa hifanaraka fiainana Aminy.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...