26 nôvambra 2023 — Alahady, I Jesoa Kirsty Mpanjakan'izao tontolo izao — Fankazalana manetriketrika — Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo, hosoavina anie ny fanjakan’i Davida Raintsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 31-46)

Foto-kevitra aroso amintsika amin’izao hankalazantsika an’i Kristy Mpanjakan’izao tontolo izao, mamarana ny taona A, dia ny hoe: “Ny hampanjaka an’i Kristy no maha kristianina antsika.” Adidintsika kristianina rehetra, izay vita batemy rehetra izany satria voahosotra ho mpanjaka koa isika noho io Batemintsika io. Tsy iandrasana an-dRakoto na Rabe fa samy tsara ny mandray anjara sy mifarimbona hatrany. Fakam-panahy matetika ny mifanohitra amin’izany, dia ny hampanjaka antsika aloha! Moa tsy fitiavan-tena va izany? Tsy i Kristy no ampanjakainy fa ny tenany mba hisehosehoana sy hieboeboana. Manodoka anefa izany ka tsy mety. Ny Evanjely aroso amintsika, maneho ny fitodihantsika amin’ny hafa sy ny manodidina satria ny fitiavantsika an’ireny no hitsarana antsika amin’ny farany.

Ka modely amin’izany i Kritsy, amin’ny maha Mpanjaka Azy: “fa na tao amin’ny fomban’Andriamanitra aza Izy dia tsy noheverina ho inona izany fa naka ny fombantsika afa-tsy ny fahotana mba hanavotany antsika”, (Jereo Fil 2, 6-11) izany hoe nanao zinona ny Tenany mba hanasoa antsika, hany ka maty teo amin’ny hazofijaliana ho mariky ny fara fitiavany antsika. Ny Azy Fanjakana tsy fanjakazakana na fanaovana didin’ny be sandry, na samy mikepoka izay azy, na fanjakana sy fanindraindrana ny antokony sy ny mpiara-misolelaka aminy ihany, tsy fanjakana manao tany avo avaratra, na omby mahia tsy lelafin’ny namany, na manao tohatra hiakarana ny hafa fotsiny, ny Azy tsy misy pôlitika maloto ka iadiana seza sy fomba ratsy ijanonana eo hiarovana tombontsoa manokana, eny hatramin’ny herisetra aza; fa fanjakana tsy misy fampielezan-kevitra ifandresen-dahatra, fanjakana tsy misy fifidianana, fanjakana tsy misy mizana tsindrîna ila, fanjakan’ny fitiavana, fanjakan’ny rariny sy ny hitsiny, fanjakan’ny fiadanana marina sy maharitra ka izany koa no tiany hiainantsika. Tiany ho lapa onenany ny fontsika ka fitiavana ombana indrafo amam-pamelan-keloka no basy aman-tafondro ilaina hiarovana ny fanjakany. Rentirenty mampamirapiratra ny fanjakany ny fanetren-tena sy ny fahaiza-manompo ny hafa. Tokony ho lavitra antsika araka izany izay rehetra manohitra ny fitiavana dia ny fankahalana, ny fialonana, ny fiavonavonana, ny fahihirana, ny fikombonana amin’ny tena samirery na ny fitiavan-tena tafahoatra. Koa aoka ny fontsika ho lapan’ny fitiavana! tsy ho mpanjakazaka fa hampanjaka Azy Kristy.

Mazava ny lazainy eto: “Lazaiko marina aminareo fa isaky ny nanao izany tamin’ny anankiray amin’ireto havako kely indrindra ireto ianareo, dia nanao izany tamiko” sy ny hoe: “Lazaiko marina aminareo fa isaky ny tsy nanao izany tamin’ny anankiray amin’ireto kely indrindra ireto ianareo, dia tsy nanao izany tamiko koa”. Dia ho any amin’ny fijaliana mandrakizay ireo, fa ny marina kosa, ho any amin’ny fiainana mandrakizay. Ka ho isan’ny marina avokoa anie isika rehetra ka ho any amin’ny fiainana mandrakizay, raha tsy hoe hanary tena angaha, aza misy anie izany!

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...