Alarobia 18 marsa 2020 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 17-19 — Sambatra izay mitandrina ny tenin'Andriamanitra, amin'ny fo marina sy tsara, sy mamoa amin'ny faharetana.
Ny Lalàna no atao arofanina mba ahafahantsika mizotra mankany amin'ny fahalavorarian'ny fiainana. Fanabeazana tsara indrindra ny fampanarahan-dalàna ny fiainana. Tsy ny fahaizana tsianjery am-bava fotsiny ny lalàna anefa no zava-dehibe fa ny fiainana azy, ho azo tsapain-tanana eo amin'ny fiainana. Lavorary sy tonga lafatra tokoa izay ambaran'ny Lalàna sy ny Mpaminany rehefa i Jesoa no manatanteraka azy eo amin'ny fiainana. Voarakitra ao amin'ny Testamenta Taloha, ao amin'ny Baiboly ny Bokin'ny Lalàna sy ny Mpaminany, niainan'ireo Jody sy noraisiny ho tenin'Andriamanitra tamin'izany andro izany. Ireny rehetra ireny anefa manambara an'i Jesoa avokoa. Ny fanoloran'i Jesoa ny tenany sy ny ainy ho famonjena antsika no fandavorariana ny Lalàna sy ny Mpaminany. Tsy tonga handrava Izy fa hanatanteraka. Nolavorarian'i Jesoa avokoa ny Lalàna rehetra, hatramin'izay madinika indrindra.
Ny Lalàna àry no mitaiza hahatonga amin'ny tena fitiavana. Satria rehefa tonga fiainantsika ireny lalàna ireny dia tonga olona manam-pitiavana isika; fitiavana an'Andriamanitra sy fitiavana ny namana. Ampianarin'ny Fiangonana antsika ny fanarahana io didim-pitiavana io, satria ny Fiangonana no manohy ny asan'i Jesoa ankehitriny. Koa tsy hoe lany andro ny didin'Andriamanitra sy ny didin'ny Eglizy fa antoka ho antsika ahatongavantsika any amin'ny fiainana mandrakizay.
Manan-danja ary tsy azo tsinontsinoavina àry izay ampianarin'ny Fiangonana sy atorony antsika. Na dia asa kely sy bitika aza no vitantsika eo amin'ny fiainantsika andavanandro, rehefa atao am-pitiavana sy an-kafaliana ireny dia tonga lehibe tokoa eo imason'Andriamanitra. Noho izany, ny fitiavana no tokony hibaiko antsika amin'izay ataontsika rehetra.