7 ôktôbra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 17-24)
Ry kristianina havana! Araka ny efa nambara teto ombieny ombieny tamin’ny alalan’ireo Evanjely aroso ho antsika isan’andro teto tatoato dia isika rehetra vita batemy dia voaantso sy voairaka avokoa. Isika no Eglizy ka manana adidy hitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny olona rehetra tsy an-kanavaka. Ankehitriny moa dia asaina isika mba hiara-dia ao anatin’izay fitoriana izay. Manamafy ny efa voalaza tany aloha fa tsy afaka ny handeha irery isika manoloana izany iraka miandry antsika izany fa tsy maintsy miaraka amin’i Jesoa mandrakariva amin’ny alalan’ny Fanahy Masina omeny antsika. Tsy tonga ho azy ao amintsika izany raha tsy mivavaka isika. Fahombiazana no vokatry ny fiarahantsika miasa amin’Andriamanitra amin’ny iraka tanterahintsika toy ny an’ireto mpianatr’i Jesoa tonga eo Aminy manao tatitra ireto. Ho antsika iraka dia adidintsika ny manao tatitra amin’ny iraka ampanaovina antsika na manao ahoana na manao ahoana vokany, fa ny hirariana dia mba ho fahombiazana mandrakariva.
Manampy io fitiavam-bavaka takiana amintsika mba hananantsika fahombiazana io ny fahaizantsika manetry tena eo am-panatanterahana ny iraka ary hitory sy haneho eo amintsika ny fitiavan’Andriamanitra zaraina amin’ny olona. Izany no hery lehibe entintsika mandresy tosika ny ratsy ka nanan’ireto mpiantr’i Jesoa ireto fahombiazana ka ezahantsika mba hanana ihany koa. Tsy hireharehana anefa izany fa hisaorana an’Andriamanitra mandrakariva satria mitahiry rakitra sy lovasoa sarobidy ho antsika any an-danitra araka ny nambaran’i Jesoa hoe ny anarana voasoratra any an-danitra no hifaliana.
Fakam-panahy lehibe ho an’ny iraka tokoa manko mazana ny mitory tena, eny fa na dia ny fomba fiaina sy fihetsika fotsiny aza satria amin’ny fitoriana ataontsika dia ny fiainana mihitsy no torìna; izay ilay mijoro ho vavolombelona. Izany no antony maha sarotra ny fahaizana manetry tena kanefa anisan’ny antoka mampahomby ny iraka ataontsika izany. Aoka ho raikitra ao an-tsain’ireo rehetra iraka fa asan’Andriamanitra no tontosainy ary ny voninahitr’Andriamanitra mandrakariva no katsahina amin’izany fa isika kosa dia mpanompo tsy mahasoa ka manao izay ampanaovina antsika sy izay tokony ho vitantsika. Ho tsaroantsika hatrany anie eo amin’ny sehatra misy antsika fa amin’ny maha kristianina antsika dia manana adidy amin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly isika, ary voaantso hiaina ny fanetren-tena mba hisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao.
Jesoa Tompo ô! Ampitomboy ny finoanay Anao sy ny fahatokisanay Anao. Enga anie hanomezanay voninahitra an’Andriamanitra Ray avokoa ny asanay rehetra. Amen.