4 ôktôbra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy, ka tariho amin’ny fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 57-62)

Ry kristianina havana! Isika rehetra dia antsoin’Andriamanitra avokoa, ary samy manana ny antso iantson’Andriamanitra azy isika, noho ny batemy noraisintsika. Fa manokana kosa ity Evanjely norenesintsika teo ity satria mahakasika ireo antsoin’Andriamanitra ho pretra sy relijiozy hiara-miasa aminy ary hirahiny hiasa ao amin’ny Eglizy. Ny fiainana voatokana dia anisan’ny lalana hanarahan-dia an’i Jesoa ho amin’ny lalam-piainana tsaratsara kokoa sady fanamasinan-tena. Fa na izany aza anefa dia avy amin’Andriamanitra avokoa ny antso na manao ahoana na manao ahoana fisehony, fa isika kosa dia miezaka mamaly izany antso izany ary manaraka ireo rehetra mety fepetra takiana amin’izany.

Endrika antso telo no asehon’i Lioka mpanoratra ny Evanjely eto ka anehoan’i Jesoa ny mety ho fiantefan’izany amintsika sy ny mety hahatonga antsika ho afaka mamaly izany antso izany na tsia, sy ny fahafahantsika na fahalalahantsika manoloana izany antso ataon’i Jesoa amintsika hanara-dia azy izany. Miseho amintsika, amin’ny fiainantsika ny finoantsika izany endrika antso izany, ka anjarantsika ny mandray izay manandrify antsika tsirairay avy. Indraindray Andriamanitra mivantana na i Jesoa mivantana no miantso, miangavy antsika mba hanaraka azy, ary misy kosa indray isika no hiantefan’ny bitsiky ny Fanahy Masina ka manolo-tena hanara-dia azy. Endrika telo mety hanakana antsika amin’izany fanarahan-dia izany koa anefa no asehon’ny Evanjely amintsika eto, fa mety ho maro ny zavamisy any amin’ny fiainantsika any, mahatonga antsika tsy manana fahalalahana mamaly ka hanaraka an’i Jesoa avy hatrany na mety mandà tsotra izao mihitsy aza. Asongadin’ny Mpanoratra ny hoe “andraso aloha” na ny hoe “aoka aloha fa…”: fialan-tsiny maneho fisalasalana fanaontsika izany amin’ny sehatra rehetra iantson’ny Eglizy antsika hikatroka ao amin’ny sahan’ny Tompo. Aoka ho tsaroantsika fa tsy misy Jesoa hiantso antsika mivantana intsony amin’izao fotoana izao ka hiteny amintsika hoe “andao anaraka Ahy”, fa amin’ny alalan’ny Eglizy nankininy amin’ireo Apôstôly sy ny dimbiny no anehoan’Andriamanitra ny faniriany ny mba hanarahantsika Azy. Ankehitriny ny Eglizy dia mikarakara sinaody lehibe ho fanehoana izay fiombonantsika hiara-mientana, hiara-mikatroka ary hiara-manatanteraka iraka iraisana izay, mba hananana fahombiazana satria ny firaisan-kina no hery. Mba anisan’ny manana hetaheta hamaly ny antson’ny Mpitarika antsika mba hiara-dia izany ve isika, sa isika no mbola eo amin’ny sehatr’ilay voalazan’ny Evanjely teo hoe “andraso aloha aho hanao an’izao sy toy izao…”. Hoy i Jesoa teo hoe “Rehefa mpitondra angadin’omby miherika dia tsy mendrika ny Fanjakan’ny lanitra”, ka sao io fialan-tsinintsika lava isan’andro io no hamoizantsika ny famonjena sahaza antsika. Anjarantsika tsirairay avy ny mandinika sy mieritreritra.

Jesoa Tompo ô! Tsy sasatra miantso olona hanara-dia Anao amin’ny fomba manokana Ianao mba hanohy ny asa fanitarana ny Fanjakan’Andriamanitra. Koa enga anie izahay tsy hamono sofina amin’ny antsonao; ary ireo voaantso anie mba tsy hiverin-dalana intsony. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...