2 ôktôbra 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Misaotra Anao aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 46-50)

Ry kristianina havana! Mampita hafatra maro amintsika i Masindahy Lioka amin’ny Evanjely norenesintsika teo ka hisarihana ny saina, ny fo amam-panahintsika handinika izay nambarany sy ny tenin’i Jesoa amin’ireo mpianany ka miantefa amintsika koa ankehitriny, dia isika izay mandray tsy tapaka ny fampianarany isan’andro. Anisan’ny voalohany mampisaina antsika ary tokony hitondrantsika ny fiainantsika amin’ny maha kristianina antsika dia ny voalazan’i Masindahy Lioka amin’ny voalohan’ny Evanjely norenesintsika teo hoe fantatr’i Jesoa ny tao am-po sy tao an-tsain’ireo mpianany miady izay ho lehibe sy ambony. Mahita ny ao am-pontsika miafina indrindra Andriamanitra ka izany no tokony hitondrantsika ny fiainantsika tsotra sy madio ary milamina eo anatrehany. Isika no mety manafina na mihatsaravelatsihy fa izy kosa mahalala ny miafina indrindra ao anatintsika ao.

Faharoa dia mampianatra antsika i Jesoa amin’ny fampianarany tamin’ny mpianany teo mahakasika ny tokony hananantsika fandeferana sy fanetren-tena eo amin’ny fiainana. Toetra fototra tokony hananantsika kristianina tokoa izany ka tsy hitovizantsika amin’izao tontolo izao ary anisan’ny antoka maha sambatra antsika ary hahazoantsika ny fiainana mandrakizay araka ny fampianarana nataon’i Jesoa tany an-tampon-tendrombohitra. Mazana mbola manjaka ao amintsika ilay toetra tia manambony tena sy tia voninahitra ary fitiavan-tena dia izany no miteraka korontana sy disadisa ao amin’ny fiaraha-monina indraindray, ary ny atahorana aza dia tafiditra aty amin’ny sehatry ny fiangonana izany toe-tsaina izany. Izany moa no hita amin’ireto mpianatr’i Jesoa miady ho lehibe ireto. Tsy tsara anefa no vokatr’izany fa fahadisoam-panantenana mandrakariva. Inona moa no antony mahatonga ady sy fifandirana na ao an-tokantrano na ao amin’ny fiaraha-monina na eo amin’ny firenana fa tsy vokatr’izay tsy fahaizana manetry tena sy mandefitra izay ihany? Mifaninana ny te ho lehibe sy te ho mpifehy avokoa dia manaraka an’izay eo ny fikatsahana tombontsoa manokana. Hany ka tsy misy ny tena fiadanana sy fitoniana ho an’ny hafa.

Ny mifanohitra amin’izany anefa no tian’i Jesoa ho toetrantsika dia ny fanetren-tena sy ny fandeferana ka andeha hanaovantsika ezaka hiainantsika ny fampianarany sy ny maha kristianina antsika. Ny zaza no entiny ho ohatra ho antsika amin’izany. Ny zaza no manana ny toetra tsotra, mahitsy, feno fitiavana sy fanetren-tena. Ny faniriana te ho lehibe koa anefa ato amin’ny Eglizy dia midika fanompoana, ary izany toe-po amam-panahy izany hatrany no irin’i Jesoa hananantsika. Aoka àry isika hiezaka amin’izany mandrakariva.

Jesoa Tompo ô! Mankasitraka Anao izahay manoro anay ny toetra tsara tokony anananay hiainanay ny maha zandrinao anay. Tsy mora ny manana izany toetra izany koa ampio izahay amin’ny ezaka ataonay hampifanaraka ny fiainanay amin’ny fampianaranao. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 nôvambra 2024

  • Nifarana ny 15 nôvambra 2024, ny Fihaonamben'ny Ekipan'ny Aumônerie Catholique des Prisons, izay notanterahana teny amin'ny Cénacle Ambohipo...
  • Nosokafana sy notokanana ny 17 nôvambra 2024, ny Distrika vaovao ao amin'ny EKAR Ave Maria Ampandroantsiriry, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Voalahatra handalo fotsiny izao rehetra izao, fa i Kristy no mitoetra mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus, ny 18 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...