Alahady 15 marsa 2020 — Alahady fahatelo amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 4, 5-42 — Ianao tokoa no mpamonjy an'izao tontolo izao, ry Tompo, ka omeo amin"izany rano izany re aho, mba tsy hangetaheta intsony.

0 : 00

Henontsika tamin'ny Evanjely teo fa toerana azo hampitana hafatra ny toerana fantsakana rano ary ny fitenin-drazantsika manao hoe: "Teny atao amin'ny mpantsaka, tiana ho tonga amin'ny tompon-tanana". Teo amin'ny fantsakan'i Jakôba no nadraisan'ity vehivavy Samaritanina ity ny Vaovao Mahafaly avy amin'i Jesoa. Teo izy no niainga, lasa nizara izay nolazain'i Jesoa taminy, any amin'ireo olona iray tanana aminy ka nampibebaka azy ireo sy nanan'izy ireo ny finoana an'i Jesoa.

Mangetaheta famonjena isika olombelona, toa ity vehivavy ity, naniry tsy hantsaka intsony ao amin'ny lava-drano antsoina hoe "Fantsakan'i Jakôba". I Jesoa àry no Loharano Velona miboiboika hasambarana sy fiadanana. Irin'i Jesoa isika mba hikatsaka hasambarana sy fiadanana ao aminy. Inona àry no hataontsika amin'izany?

Amin'izao vanim-potoana izao no iantsona antsika ho amin'ny fibebahana marina, fialana amin'ireo fahazaran-dratsy; vanim-potoana hamolahan-tena; vanim-potoana ahafahana mizara izay mahasoa ny hafa toy ny nataon'ity vehivavy Samaritanina ity. Alohan'izany rehetra izany anefa, ny tenantsika aloha no tokony hibebaka voalohany, ho resy lahatra fa i Jesoa no tena fiainana; vonona mandrakariva Izy hanome ny fiainany ho antsika. I Jesoa àry no Lharano hanovozantsika ny soa rehetra, sy ahazoantsika ny fiainana mandrakizay. Amen.

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...