7 septambra 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 5, 1-11)

Mampahatsiahy ny fiainana tokony hananantsika sy ny fanatanterahana ireo adidy ankinin’Andriamanitra antsika kristianina ny Evanjely anio. Natao ho mpitondra ny hafatr’i Kristy isika, izany hoe nantsoiny ho iraka eo amin’ny toerana misy antsika. Noho izany, tsy anarana entina fotsiny akory ny maha kristianina fa fiainana, ary misy adidy mila tanterahina, adidy avy amin’i Kristy mihitsy. Natao hampita ny hafatr’i Kristy isika. Hafatra miompana amin’ny fandresena ny herin’ny Ratsy sy ny firotsahana amin’ny fanampiana ireo sahirana sy tsy misy mpiahy. Fa miankina indrindra amin’ny fihainoana sy ny fanarahana izay Lazainy ary ny fahatsapana fa miaraka amintsika ny Fanahy Masina anefa, no antoka hampahomby an’izany iraka ampanaovin’i Jesoa Kristy antsika izany.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...