3 septambra 2023 — Alahady Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao amin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 21-27)

Betsaka amintsika kristianina no mametra-panontaniana manoloana ny fanenjehana ; misy ihany koa aza ireo mihemotra rehefa mahatsapa ny hamafin’ny fanaratsiana isan-karazany sy ny fanalam-baraka. Toa manao tsobo-dranon-dRamiangaly amin’ny finoana isika tsindraindray. Tsy mahagaga tokoa raha toa ka tsy mandroso lalindalina kokoa ny finoantsika satria tsy sahy ny hiatrika ny mafy mba hanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra isika, ary ohatran’ny tsy matoky an’Andriamanitra miara-dàlana amintsika eo amin’ny làlan’ny fiainana ihany koa. Manome ohatra antsika i Jesoa, tiany hiroso ihany koa isika ary asaina hiatrika ny fijaliana raha toa ka hitranga izany, ary fijaliana vokatry ny fanataterahana ny sitrapon’Andriamanitra anefa.

Tsy fanafintohinana akory ny fijaliana sy ny fahafatesana fa vokatry ny fahotantsika olombelona, nasehon’i Jesoa amintsika ao amin’ny Evanjely vao novakiana tamintsika teo fa tsy sakana ho Azy velively ny fiakarana any Jerosalema, ary fantany fa hampijaliana Izy rehefa tonga any. Zava-baovao no entin’i Kristy eto ; zava-baovao satria hanome famaritana vaovao ny atao hoe Mesia Izy, ka Mesia hanolotra ny ainy hanavotana an’izao tontolo izao no hasehony fa tsy ilay Mesia pôlitika akory ; Mesia hiaritra fijaliana sy Mpanompon’Andriamanitra hofantsihana.

Mampiseho ny fahamendrehana maha-olona ihany koa ity fihetsika feno fahavononana sy fahasahiana asehon’i Jesoa ity. Mampiseho fahamendrehana satria amin’ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra no hahatsapana fahasambarana dieny ety an-tany. Tsy mora anefa ny fanatanterahana an’izany raha tsy ampian’ny fahasoavany isika. Tsy nahatsapa an’izany i Piera fa nitady làlana mora sy haingana indrindra dia ny fandosirana ny fijaliana. Ndeha àry isika haka tahaka an’i Jesoa sy hitalaho ny fahasoavan’Andriamanitra mandrakariva.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...