17 aogositra 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahasivy ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 21-35 ; 19, 1)

Nanohina ny fon’ny mpiantra ny tenin’i Jesoa hoe mahaiza mamela ny hadisoan’ny namana. Rehefa voadoana matetika tokoa manko, na nahatsiaro tena naharary tafahoatra, na koa misy mpamerina hadisoana tsy laitra ahitsy dia vizana sy leo amin’ny farany; hany ka alaim-panahy tsy hamela intsony fa hoe aleo ho very any; na sanatria hoe ampy izay fa ahy iny raha mbola mamerina farany eo. Izay ilay fetry ny maha olombelona. Tsy maintsy mamela hatramin’ny impitopolo fito, hoy i Jesoa; mamela hatrany, tsy misy fetra. Andriamanitra no modely. Impiry nanota sy nifona taminy moa isika izao fa navelany hatrany.

Loza tokoa raha sanatria manao tahaka ity olona ao amin’ny fanoharana entin’i Jesoa mampianatra hifamela. Raha adika ireo mari-bola voalaza dia 20 tapitrisa dôlara navela any, nafoy sy nomena azy, fa ny 3.000 dôlara nanagadrany ny namany. Diniho ange izany elanelana; mety ho isika aza no nahavita hadisoana lehibe kokoa, fa nifona dia navela. Tsy manana antony tsy hamelana mihitsy isika na manahoana toe-javatra satria efa samy nanao hadisoana daholo. Aoka ho tsaroana fa fitiavan-tena ny mangata-pamelana kanefa tsy mahay mamela. Fampiharana sy mampandaitra ny famelana azo ny fahaizana mamela.

Mpamindra fo Andriamanitra fa amin’ny farany koa dia tsy maintsy hiseho eo amin’ny fitsarany isika. Samy hitondra ny fiainany avy eo anatrehen’ny Tompo isika ka hiharihary eo ny fiainana rehetra. Dieny mbola misy fotoana ibebahana, andao ifamela, andao ifamonjy, aleo tsy mifanao ratsy izany, andao ifampitaona any amin’ny tsara. Araka ny vavaka ataontsika hoe “avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay”. Araka ny andininy farany ao amin’ny fampianaran’ny Eglizy momba ny fiaraha-monina hoe : “andao hanorina kolontsain’ny fitiavana”. Amen.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...