15 aogositra 2023 — I Masina Maria Virjiny nampakarina any an-danitra — Fankalazana manetriketrika — Nampiakarina any an-danitra i Maria, ka mifaly ny tafiky ny Anjely — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 39-56)

Ry kristianina havana; mankalaza manetriketrika an’i Masina Maria nampiakarina am-boninahitra any an-danitra ny Fiangonana isaky ny 15 aogositra. Foto-pinoana momba an’i Masina Maria, nambaran’ny Papa Pio faha-12 tamin’ny 1 nôvambra 1950, fa “tsy lo tao am-pasana akory ny vatan’i Maria Virjiny fa nakarin’ny Tompo hiombona fiainana sy voninahitra amin’i Jesoa Zanany any amin’ny voninahitra”. Endrika mivantana isehoan’ny famonjena sy ny fitsanganan-ko velona ny fampiakarana an’i Maria Virjiny. Valim-babena ataon’i Jesoa an-dreniny, hoy i Masindahy Louis Grignion de Monfort.

Na dia tsy voalaza ara-bakiteny ao amin’ny Baiboly aza ny fampiakarana an’i Masina Maria any an-danitra dia ny Lovampanahy kosa dia milaza fa tsy sitrak’i Jesoa Tompon’ny aina ho lo ao am-pasana ny reny niteraka Azy. Satria nankasitrahan’Andrimanitra izy, satria nahafoy tena manontolo ho an’Andriamanitra izy; satria marina Andriamanitra nampanantena fa izay mino Azy dia ho velona mandrakizay, izay mino Azy dia hahazo zato heny eto an-tany ary hahazo ny fiainana mandrakizay any an-koatra. Satria nandray an’Andriamanitra izy dia raisin’Andriamanitra.

Santatra sy lohalalana i Masina Maria, fa isika rehetra izay mino dia ho iray voninahitra any rehefa sitrak’Andriamanitra toa azy ny fiainantsika. Tsy Andriamanitra ivavahana i Masina Maria fa reny miahy antsika zanany. Tahaka ny nikarakarany an’i Jesoa fahazaza no mbola iahiany antsika. Mivavaka ho antsika izy satria tsy hain’i Jesoa lavina izay angatahany ho antsika. Raiso tahaka ny nandraisan’i Maria Virjiny azy i Jesoa, dia horaisiny any aminy koa isika rahatrizay, hasandrany any amin’ny voninahitra. Amen.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...