Alakamisy 05 marsa 2020 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Evanjely masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 7-12 — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; satria hatsaram-po no ao amin'ny Tompo, ary fanavotana lehibe.

0 : 00

Ry Kristianina Havana! Hoy ny fitenintsika hoe: "Ny tongo-dava ahitan-kanina", ary izay mipetrapetraka sy manao ariary zato am-pandriana fotsiny eo dia ho tavela amin’ity fiainana ity. Raha ny ara-nofo maha olona voajanahary antsika aza, izany no zava-misy tsy maintsy ataontsika vao velona, koa mainka fa ny fahasoavana sy ny famonjena ho an’ny fanahintsika. Tsy azo moramora anefa izany fa tsy maintsy mila ny ezaka avy amintsika. Mahalala ny miafina rehetra amin’ny fiaiantsika Andriamanitra ary izany rahateo ny vavaky ny mpanjakavavy Estera ao amin’ny vakiteny voalohany androany; ary nambarantsika teto tamin’ny Alatsinainy teo fa na tsy mangataka aza isika dia fantatry ny Ray izay ilaintsika. Na izany aza dia tokony tsy hiroa fo isika hangataka amin’Andriamanitra indrindra ny indrafony sy ny fitiavany ary ny fahasoavany mba hanomezany antsika izany: Mangataha dia omena ianareo, satria izay mangataka no mahazo. Raha ny fitiavan’Andriamanitra antsika no jerena, dia tsy havelany ho very isika zanany fa sitrany hiraiki-po tanteraka aminy. Na dia ao anaty haizim-pito aza isika dia ho raisiny hatrany raha mifona Aminy. Ao amin’Andriamanitra avokoa ny loharanom-pahasoavana rehetra, koa manatona Azy isika fa hamoha ny varavarany tsy amim-pisalasalana Izy satria tsy mialonjafy Andriamanitra. Ny fanjakany dia misokatra ho an’ny olona rehetra tsy an-kanavaka. "Tsy misy mangataka voatehamaina", hono hoy ny fiteny koa angataho amin’Andriamanitra izay irintsika indrindra ny fahasoavany sy ny indrafony hanomezany azy antsika.

Fa fanampin’izany dia antsoin’Andriamanitra isika hiaina ao anatin’ny fifankatiavana sy ny fifanampiana. Izany dia miainga avy amin’ny fifanajan’ny tsirairay aloha vao miitatra mankany amin’ny fiaraha-monina. Hoy ny Tompo hoe: "Izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy amin’ny olona koa torak’izany". Ary hoy isika Malagasy hoe: "Ny tody tsy misy fa ny atao ihany no miverina". Dia izany teny izany àry no mampirisika antsika hiaina mandrakariva ny fifankatiavana sy ny fifanajana satria ny fampanjakana ny fitiavana eo amin’ny mpiara-belona dia mitarika antsika hanakaiky kokoa an’Andriamanitra. Koa mahaiza àry mangataka amin’ny Ray izay ilaintsika fa vonona hanome fahafaham-po antsika Izy, dia ny fanomezany ho antsika fo mahay mandefitra sy mahay mitia.

Ry Tompo Andriamanitra Rainay ô! Ampio izahay hahay hangataka Aminao am-pinoana sy am-paharetana ary izay fantatrao fa hahasoa anay no omeo anay ahaizany mitia ny mpiara-belona aminay. Amen!

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 septambra 2024

♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...