Resy lahatra ny Fiangonana teo am-piandohana fa asan'ny Fanahy Masina ny vavaka. Tsy misaraka amin'ny vavaka ny Fanahy Masina. Ny Fanahy Masina no nanentana an'ireo Kristiana voalohany hanana hafanam-po hivavaka. Ny Fanahy Masina no mahatomombana ny vavaka atao. Hoy Md Paoly Apôstôly : akaiky ny kristiana ny Fanahy Masina hanampy azy ireo raha sendra fahalemena... Katesizy momba ny vavaky ny fiangonana, tany am-piandohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
7 septambra 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Asehoy ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 1-5)
Manan-danja ny Fiangonana satria ao anatiny no amolavolana ny mpivavaka. Fiombonan'ny Kristiana mifankatia ao anatin'ny finoana sy fanantenana ny Fiangonana. Mampiombona Andriamanitra ; misterin'ny fiombonana ny Fiangonana ary avy amin'Andriamanitra izany, tamin'ny alalan'ny Pakan'i Jesoa Kristy, mampihavana. Izy Jesoa no mpampiombona... Katesizy momba ny vavaky ny fiangonana, tany am-piandohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
6 septambra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 5, 33-39)
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco