9 nôvambra 2024 — Ny nitokanana ny Bazilika ao Latran — Fankalazana — Izay rehetra mangataka ao an-tranoko dia mahazo, hoy ny Tompo; izay mitady dia mahita, ary izay mandondòna dia hovohaina — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 2, 13-22)
Ny toerana mety sy tsara amin'ny fivavahana dia ny Eglizy, tranon'Andriamanitra, toerana sahazan'ny fivavahana litorjika ho an'ny ankohonana kristianina eo amin'ny Paroasy. Ny efitrano kely mangina miaraka amin'ny Soratra Masina sy ny sarimasina ihany koa dia azo naovana fivavahana samirery. Ny "sanctuaire" dia toerana fihavaozana amin'ny vavaka araka ny lovam-panahy... Katesizy momba ny "mivavaka amin'ny fiainana andavanandro", iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
8 nôvambra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 16, 1-8)
Voalohan-toerana manabe amin'ny fivavahana ny fianakaviana kristianina ; noho ny fianakaviana kristianina miorina amin'ny Sakramentan'ny Fanambadiana, ka manjary "Eglizy ao an-tokantrano" izy, mianatra mivavaka ao ny zanak'Andriamanitra. Tompon'andraikitra amin'ny fanabeazana ny rahalahin'izy ireo sy ny anabaviny ao amin'i Kristy, amin'ny fivavahana ireo mpandraharaha voahosotra... Katesizy momba ny "mivavaka amin'ny fiainana andavanandro", iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco