09 septambra — Teraka ny 26 jiona 1580 tao Verdú akaikin’i Alarida Espagne i Pierre Claver ary nodimandry ny 08 septambra 1654 tao Carthagène des Indes, Colombie. Marani-tsaina i Pierre Claver, nanao ny fianarany tao amin’ny zezoita izy talohan’ny faharoapolo taonany izay fotoana nidirany ny noviciat an’io fiakambanana io ihany tao Tarragone ny taona 1602.
Mampalahelo ny toe-javatra misy, satria ny vatan'ny olombelona sy ny fanahiny mihitsy no very hasina ary tsy misy lanjany intsony, lasa mijanona fotsiny ho fitaovam-pananahana tsy misy tanjona fa zary fitaovana entina mikaroka fahafinaretana sy harena fotsiny sisa ny vatan'ny olombelona miara-mitoetra ao amin'ny tokantrano iray. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
Zoma 9 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahatelo amby roapolo Mandavantaona — Ny tenin’Andriamanitra dia maharitra mandrakizay; ary izany tenin’Andriamanitra izany dia ny Evanjely izay notorìna taminareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 39-42
08 septambra — Heverina fa ny Fiangonana tao Jerosalema no nanaja sy nahatsiaro voalohany ny nahaterahan’i Masina Maria Virjiny izay nankalazaina tao amin’ny bazilika ao amin’io toerana nahatrerahan’i Masina Maria Virjiny. Ny toritenin’i André de Crête dia milazalaza ny momba ny nahaterahan’i Maria Virjiny.
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco