28 septambra 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana amin’ny Evanjely — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 7-9)
Ny dokam-barotra ankehitriny dia lasa misy tsy fifanajana, fanambaniana ny hafa, izay vokatry ny tosiky ny fifaninana. Ady ary asa mafy ny fandresen-dahatra olona hanjifa na hanaraka foto-kevitra iray amin'izao vaninan'andro izao. Miova ny endriky ny dokam-barotra, na ny vavaka aza misy dokam-barotra... Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
27 septambra 2023 — Masindahy Vincent de Paul, Pretra, Mpiaro faharoa an'i Madagasikara — Fankalazana — Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 35-38)
Ny fanatontoloana ny fiharian-karena, ny fanalalahana ny tsenam-barotra, ny rivotry ny fifaninana ary ny fahamaroan'ny orinasa mifantoka manokana amin'ny famatsiana entam-barotra voahodina sy ny asa fandraharahana dia mitaky tsenan'asa afa-manaraka tsara ny onjany, toraka izany koa ny fandrindrana sy ny fitantanana ny fizotry ny famokarana... Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco