Afaka miezaka foana isika ary afaka manomboka fiainana vaovao amin'ny fitiavam-bavaka. Aza matahotra miantso an'Andriamanitra ; ny fibebahana no hanombohana azy. Izay maniry hahazo fahasoavana dia milofo sy miezaka hatramin'ny farany, maharitra mivavaka. Ilàna finoana mari-pototra ny mivavaka ; hoy mantsy i Jesoa tamin'i Bartime "ny finoanao no nahavonjy anao". Ny finoana dia isika sahy mivavaka amin'Andriamanitra. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.
8 jona 2024 — Ny Fo Madion'i Maria Virjiny — Sambatra tokoa ianao, ry Maria Virjiny fa nitahiry ny Tenin’Andriamanitra ianao sy nandinika azy tao am-po — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 2, 41-51)
Maro ny sakana mahatonga ny olona tsy ho afaka mivavaka. Misy ohatra ny fahajambana no manahirana azy, kanefa raha ny maso no nanahirana dia misy fomba hafa toy ny fampiasana ny sofina. Samy manana ny sakana tsy hahafahany mivavaka ny tsirairay ; mety ho olona no manakana, mety ho ny fotoana, na asa, na fahazarana sy fiankinan-doha amin'ny zavatra. Tsy mitovy ny hoe "kamo mivavaka" sy ny tsy manam-potoana. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.
7 jona 2024 — Ny Fo Masin'i Jesoa — Fankalazana manetriketrika — Ento ny jiogako ary mianara amiko fa malemy fanahy sy manetry Tena ao am-po Aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 19, 31-37)
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco