9 jona 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahasivy Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 35-37)

Tamin’izany andro izany, i Jesoa raha mbola nampianatra tao an-tempoly
dia niteny nanao hoe:

“Ahoana no ilazan’ny mpanora-dalàna
fa i Kristy dia zanak’i Davida?
Nefa i Davida ihany no nampilazain’ny Fanahy Masina hoe:
‘Ny Tompo nilaza tamin’ny Tompoko hoe:
mipetraha eo ankavanako Ianao
mandra-panaoko ny fahavalonao
ho fitoeran-tongotrao.’
Koa raha antsoin’i Davida ho Tompony Izy,
ahoana no maha-zanany Azy?”

Ary nihaino Azy an-kafaliana ny vahoaka be.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...