14 mey 2023 — Alahady fahenina fankalazana ny Paka — Taona A — Raha misy tia Ahy ka mitandrina ny teniko, hoy ny Tompo, dia ho tian’ny Raiko izy, ka hankao aminy Izahay ary honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 15-21)

Ry mpihaino hajaina, miroso amin’ny alahady fahaenina amin’ny Paka isika ity androany ity. Ny loha-hevitra ifampizaran’ny Eglizy amin’ity alahady ity dia ny hoe : “Ny Fanahy Masina no manohy ny asan’i Kristy”. Efa manomana antsika sahady ny soratra masina amin’ny fankalazantsika manetriketrika tsy ho ela ny fidinanan’ny Fanahy Masina na ny Patekonty. Mialoha izany anefa dia tsy maintsy hiakatra any an-danitra aloha i Kristy na ny “Ascension” ka hoy Izy : “Rahefa afaka kelikely dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao, fa ianareo no hahita Ahy”. “Handeha Aho hanamboatra toerana ho anareo”. Noho izany tsy ho hitan’izao tontolo izao mivantana intsony i Kristy, kanefa hoy Izy “tsy avelako ho kamboty ianareo fa hankaty aminareo Aho”.

Ny fisarahana dia mety hahatonga fahakiviana, hatramin’ny heriny ny soratra masina dia mankahery fa hisy ny fisarahana fa aoka tsy hitebiteby. Ny Andriamantsika kosa dia mahalala ny fahosantsika sy ny fahalementsika ka tsy mamela antsika handeha irery, hivahiny samirery fa nataony fantantsika fa eo foana Izy, miara-dalana amintsika. Hoy i Jesoa hangataka amin’ny Ray Aho ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo. Izy no voalohany mpanafaka alahelo, misy ny hafa dia ny Fanahy Masina.

I Kristy no nirahin’Andriamanitra, niara-nonina tamintsika, namonjy antsika, fa niverina any amin’ny Ray rahefa nahatontosa ny sitrapon’ilay naniraka azy. Noho izany tsy tapitra teo ny iraka notontosainy fa teo ny mpianany nanohy ny asany. Nandray ny Fanahy Masina, hankahery Azy ireo amin’ny fanohizana ny asa efa natombony. Tahaka ny nanirahan’ny Ray ahy no anirahako anareo koa, rahefa nilaza izany Izy dia nitsoka ka nanao tamin’izy ireo hoe : Raiso ny Fanahy Masina ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela ary izay hotananareo dia ho voatana (Jn 20, 21-23).

Tsy mandeha ho azy anefa izany fanohizana ny asan’i Kristy izany fa tsy maintsy hita porofo amin’ny fitandremana ny didiny. Ny didiny izay azo fintininina amin’ny didim-pitiavana. Hoy Izy: “Raha tia Ahy ianareo dia hitandrina ny didiko”. “Dia ho tian’ny Raiko sy ho tiako koa ka haneho ny Tenako aminy Aho”. Io porofom-pitiavana io no antoka fa tsy handao antsika Izy na aiza na aiza. Hoy i Jesoa: Izaho ao amin’ny Ray, ianareo ato amiko ary Izaho ao aminareo.

Noho izany izay asa ataontsika ankehitriny dia asan’Andriamanitra satria efa iray amintsika Izy, ary indrindra asan’ny Fanahy Masina.

Ry Ray ô, hotsaroanay isan’andro anie fa zanakao izahay ary nirahinao hamelomaso ny anaranao. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...