4 mey 2023 — Alakamisy, Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Nahita Ahy ianao ka nino; fa sambatra izay tsy nahita ka mino — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 13, 16-20)
Ry kristianina havana! Efa diso fantatsika loatra ny anton-dian’i Jesoa tety amintsika fa ny hamonjy antsika olombelona rehetra. Nampianatra antsika momba an’Andriamanitra Ray izay nanairaka Azy i Jesoa mba tsy hampisalasala antsika. Nanome ohatra tsara ho antsika koa Izy mba ho fakan-tahaka satria izany rehetra izany no vontoatin’ny famonjena nentiny. Maro samihafa ny fampianarana nataony, anisan’ireny ny didim-pitiavana sy fifamelàna ary ny fanompoana. Izy Kristy mihitsy no milatsa-tenany manasa ny tongotry ny mpianany. Izany no fanompoana sady fampianarany antsika; ary Izy manao izany dia am-pitiavana sy am-panetren-tena no nanaovany izany. Maro amintsika mantsy no mihevi-tena fa lehibe dia mibaiko fotsiny fa tsy mba mandray anjara na mitarika akory. Ny fanompoana anefa no tena tian’i Kristy ataontsika dia izany koa no aoka ezahantsika kristianina hiainana isan’andro.
Efa maro ireo Mpaminany isan-karazany talohan’i Kristy no nitory sy nanomana ny vahoaka tamim-panetren-tena handray ny Vaovao Mahafaly. Nofidìn’Andriamanitra ireny olona ireny, nametrahany adidy mba hampita ny teny sy mba hanitsy ny fomba fiainan’ny olona. Ny zavatra tsapa anefa dia toa tsy noraharahain’ny olona izy ireny na dia mitondra ny teny avy amin’Andriamanitra aza. Hita ao amin’ny Testamenta Taloha ny tantaran’i Jeremia mpaminany izay nirahin’Andriamanitra hitory ny teniny nefa dia tsy noraisin’ny olona loatra. Tonga koa i Jesoa nitory ny Tenin’Andriamanitra nefa mbola maro ihany koa ny olona nandà Azy. Ny mpianany aza moa namadika azy toa an’i Jodasy. Mazàna tokoa ange ka ny namana akaiky sy hatokisana ihany no mamadika ny tena. Tsy mbola tafita amintsika ilay tena hoe tia marina. Lafiny iray mahasarotra ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ho an’ireo rehetra manana andraikitra amin’izany ny tsy fandraisan’ny olona azy ireo. Efa voalazantsika teto ny hoe misy mijery “valeur”, ka raha vao olona ambany saranga sy ny sisa dia tsy raharahina. Maro ange ireo irahin’i Kristy e: Filohan’ny APV, Faritra, fikambanana sy vaomiera isan-karazany, ireo lahika mpikatroka sy mafana fo; mandray an’ireny ve isika? Matetika ireny tsy raharahina ny teniny, tsy hivakina loha ny fanentanana ataony. Hiandry an’iza isika vao hihaino sy handray? Manoloana izany fandavana izany dia hentitra ny tenin’i Jesoa hoe: “Izay mandray izay irahiko dia mandray Ahy”; satria na Izy na ireo manohy ny asany dia samy tsy miteny ho azy fa mampita ny hafatr’Andriamanitra daholo. “Ny iraka tsy ambony noho izay naniraka azy”, hoy i Jesoa, koa asaina isika ary iangaviana mba handray ny hafatra entin’ireny iraka ireny satria avy amin’Andriamanitra ireny; ary fantatsika fa maro ankehitriny ireo olona irahin’i Jesoa hitory ny Vaovao Mahafaly koa aoka isika hazoto handray ireny, ary hijery izay sakana mahatonga antsika tsy handray sy hihaino ny Tenin’Andriamanitra.
Jesoa Tompo ô! Omeo ny hery sy ny fanilovan’ny Fanahy Masina hatrany ireo izay antsoinao hanohy ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly; ary ampio izahay hahay andray izany, na iza na iza irahinao hitory aminay mba hahafahanay mandray Anao sy mandray ny Ray eo amin’ny fiainanay! Amen!