Alatsinainy 24 febroary 2020 — Herinandro fahafito mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 9, 13-28 — I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana amin'ny Evanjely.

0 : 00

Mampiseho ny fandresen’i  Jesoa ny ratsy eto ny Evanjely hitantsika fa nanafaka ny olona  Izy izay ao anatin’ny fangejan’ny ratsy.

Eto dia raim-pianakaviana iray nitondra ny zanany izay azon’ny fanahy ratsy tamin’i Jesoa mba hositraniny. Marihina fa efa nentin’ity raim-pianakaviana tamin’ny mpiantr’i Jesoa ity zanany lahy nefa dia tsy naharoaka ny fanahy maloto tao aminy. Eto dia azo lazaina fa tojo tsy fahombiazana ireo mpianatra. Tsy fahombiazana izay mety hahazo antsika Kristianina ihany koa eo amin’ny fitoriana ny evajely sy ny fikatsahana vokatra tsara eo amin’ny fiainam-panahy. Eo anatrehan’izany ary, dia mila miroso any amin’ny fibebahana lalina kokoa isika izay ny vavaka no atao lahara-pamehana. Mila finoana arak’izany ny fandresena ny fanahy ratsy.

Finoana io no nangatahan’i Jesoa tamin’ity raim-pianakaviana mba ho fanasitranana sy famonjena ny zanany. Tsy misy tsy azo tokoa ho an’izay mino. Rehefa mino isika, dia miasa ao anatintsika sy miaraka amintsika Izy Andriamanitra.

Nampianatra an’ireto mpianany ary Jesoa fa misy ny karazana demony dia tsy roahina afa-tsy ny fivavahana sy ny fifandian-kanina ihany. Mila mivavaka mandrakariva ary arak’izany mba handresena ny fanahy ratsy. Ny vavaka mantsy dia fifandraisana akaiky amin’Andriamanitra ary tsy mahefa na inona na inona isika rehefa tsy miaraka aminy. Miaraka amin’izay dia ilaina ihany hoe ny fifadian-kanina raha te handresy ny ratsy. Araka ny voalazan’i Md Jean Chrysostome mantsy, dia ny fifadian-kanina no hery hahafahantsika mandresy ny fahavalo ara-panahy sy manafaka antsika amin’ny fangejan’ny fahotana mba ho tonga olona afaka.

Tompo ô, ampitomboy ny finoanay!

[Miara-dàlana] Zoma 27 desambra 2024

  • Nanolotra fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'ny Noely, ireo Ray aman-dReny eo anivon'ny Fiangonana...
  • Nanao antso avo ho an'ny fandriam-pahalemana any amin'ireo firenena ravan'ny ady ny Papa François, ny alarobia 25 desambra 2024, tao anatin'ny hafatra ho an'ny Noely...
  • Ankoatra ny ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Pierre, dia nanokatra ny Varavarana Masina iray ao amin'ny fonja ao Rebibbia ao Roma ny Ray masina, ny 26 desambra 2024...
Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...