28 aprily 2023 — Zoma, Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava, isika izay navotany tamin’ny Rany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 53-60)
Ankehitriny, dia toa hita fa mora amintsika tokoa ny miteny hoe : mihinana ny vatan’i Kristy sy misotro ny Ran’i Kristy, izay efa natolony ho antsika. Fa tamin’ny andron’ireo Jody tamin’izany fotoana dia tena tsy azon’ireo ny tian’i Jesoa ambara mahakasika ny fihinanana ny Nofony sy ny fisotroana ny Rany.
Isika kristianina anefa dia mahafantatra tsara fa efa nitsangan-ko velona i Jesoa ary mino fa eo anivontsika ao amin’ny Eokaristia izy. Ary izay mandray ny Eokaritsia no manana ny fiainana mandrakizay. Ny teny hoe : “nihinana ny Nofo sy misotro ny Ra” mantsy eto dia midika hoe mandray ny Eokaristia. Na izany aza anefa dia mila toetra mendrika eo am-pandraisana azy raha te hiombom-piainana tanteraka amin’i Jesoa ao amin’ny Eokaristia. Ary efa nolazain’i Masindahy Paoly fa izay mandray ny Eokaristia tsy amim-pahamendrehana dia mihinana fanamelohana ho an’ny tenany.
Ny mofo nidina avy any an-danitra izay manome ny fiainana ho an’ny olona àry dia i Jesoa Tenany ihany, ary mifandray amintsika mpino amin’ny Eokaristia. Ny Eokaristia àry no mamelona antsika ao amin’ny Finoana sy mampiombona antsika kristianina ary io no antoky sy fiainana mandrakizay. Noho izany dia mila fiomanana ara-panahy ny fandraisana Azy ary tokony tsy hitsahatra mandrakariva isika hivavaka ho an’ireo namantsika izay tsy afaka mandray ny Eokaristia noho ny antony maro samihafa.
Tompo ô, hamafiso hatrany ny finoanay Anao anatin’ny Eokaristia.