Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 9, 1-20)

Fanaka voafidy ho Ahy io lehilahy io, hitondra ny Anarako eo anatrehan’ny Jentily.

Tamin’izany i Saoly,
dia mbola tsy nihevitra afa-tsy ny handrahona sy hamono ny mpianatry ny Tompo,
ka nanatona ny lehiben’ny mpisorona izy,
nangataka taratasy taminy ho an’ny sinagôgan’i Damasy
mba hitondrany am-patorana ho any Jerosalema
izay rehetra hitany manaraka izany lalàna izany,
na lahy na vavy.
Raha mbola teny an-dalana izy,
ka efa mby akaikin’i Damasy dia nisy fahazavana tonga tampoka avy any an-danitra
nanjelajelatra nanodidina azy.
Dia lavo tamin’ny tany izy,
ary nandre feo nanao taminy hoe:

“Saoly, Saoly, nahoana no manenjika Ahy ianao?”

Ka hoy izy:

“Iza moa Ianao, Tompoko?”

Ary hoy ny Tompo:

“Izaho no i Jesoa izay enjehinao;
sasa-poana ianao mitroatra manohitra ny fanindronana.”

Dia nangovitra sy very hevitra izy, ka nanao hoe:

“Tompo ô, inona no tianao hataoko?”

Ary hoy ny Tompo taminy:

“Mitsangàna, ka midira ao an-tanàna
ary ao no holazaina aminao izay tsy maintsy hataonao.”

Tafatsatoka talanjona foana ny olona niaraka taminy,
fa nandre ny feo,
nefa tsy nahita olona na iza na iza.
Nony niarina avy hatreo i Saoly,
dia nanokatra ny masony,
fa tsy nahita na inona na inona;
ka olona no nitantana azy hankao Damasy.
Ary hateloana izy no tsy nahita,
sady tsy nihinana na nisotro.

Tao Damasy fahizay,
dia nisy mpianatra anankiray atao hoe i Anania;
nilazan’ny Tompo tamin’ny tsindrimandry hoe:

“Ry Anania!”

Dia hoy izy:

“Inty aho, Tompoko.”

Ary hoy ny Tompo taminy:

“Mitsangàna, ka mandehana any amin’ny lalana atao hoe Mahitsy,
tadiavo ao an-tranon’i Joda,
fa misy lehilahy atao hoe i Saoly avy any Tarsy,
efa mivavaka izy izao.”

(Tamin’izay koa i Saoly
dia nahita lehilahy anankiray tamin’ny tsindrimandry atao hoe
i Anania izay niditra sy nametra-tanana taminy mba hampahiratra azy).
Ary i Anania namaly hoe:

“Tompoko,
reko tamin’ny olona maro fa loza loatra no nafitsok’io lehilahy io
tamin’ny olonao masina tao Jerosalema;
ary aty indray izy izao nahazo fahefana tamin’ny lehiben’ny mpisorona koa,
mba hamatotra izay rehetra miantso ny Anaranao.”

Fa hoy ny Tompo taminy:

“Mandehana, fa io lehilahy io dia fanaka voafidy ho Ahy,
hitondra ny Anarako eo anatrehan’ny Jentily
sy ny mpanjaka ary ny zanak’i Israely;
ary asehoko azy ny mafy tsy maintsy hiaretany noho ny Anarako.”

Dia nandeha i Anania, ka nony tonga tao an-trano,
dia nametra-tanana taminy nanao hoe:

“Ry Saoly rahalahy,
i Jesoa Tompo, izay niseho taminao teo amin’ny lalana nalehanao,
dia naniraka ahy mba hahiratra indray ianao
sy ho feno ny Fanahy Masina.”

Niaraka tamin’izay,
nisy zavatra toy ny lanin-kazandrano niala teo amin’ny masony,
ka nahiratra indray izy.
Dia nitsangana izy ka natao Batemy;
ary nihinan-kanina dia natanjaka indray.

Niara-nitoetra andro vitsy tamin’ny mpianatra tao Damasy i Saoly,
ary nitory teo amin’ny sinagôga niaraka tamin’izay izy,
ka nilaza fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 116, 1. 2

Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely.

Ianareo firenena rehetra,
aoka hiara-midera ny Tompo!
Ry vahoaka eran-tany tontolo,
aoka hiantsa ny Tompo ianareo.

Ny fitiavany anay tsy mba lefy,
tsy mivadika mandrakizay!
Hankalaza ny Tompo àry isika,
Izy Tompo manjaka amintsika!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava, isika izay navotany tamin’ny Rany.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 53-60)

Tena fihinana ny Nofoko ary tena fisotro ny Rako.

Tamin’izany andro izany,
dia nifanditra ny Jody nanao hoe:

“Hataon’Ilay io ahoana àry
no fanome antsika ny Nofony hohanina?”

Fa hoy i Jesoa tamin’izy ireo:

“Lazaiko marina dia marina aminareo,
fa raha tsy mihinana ny Nofon’ny Zanak’Olona ianareo
sy tsy misotro ny Rany,
dia tsy manana ny fiainana ao aminareo.
Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako
no manana ny fiainana mandrakizay,
ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro.
Fa tena fihinana ny Nofoko,
ary tena fisotro ny Rako.
Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako,
dia mitoetra ao anatiko,
ary Izaho ao anatiny.
Velona ny Ray naniraka Ahy,
Izaho koa dia velona ao amin’ny Ray;
toy izany koa no hahavelona amiko izay mihinana Ahy.
Izany àry ny mofo nidina avy any an-danitra:
tsy mba tahaka ny razanareo izay nihinana mana nefa maty ihany;
fa izay mihinana ity mofo ity kosa
dia ho velona mandrakizay.”

Izany no nolazainy
raha nampianatra tao amin’ny Sinagôga tany Kafarnaôma Izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

{/tab}

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...