Zoma 10 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 31-37)
Mitohy hatrany ny fandehanan’i Jesoa any amin’ny tananan’ny tsy mpino. Eto dia fanasitranana lehilahy iray sady marenina no moana no nataony. Niandrandra ny lanitra izy sady nisento teo am-panasitranana ilay lehilahy: lanitra izay azo adika fa fitoeran’Andriamanitra Ray, izay nitalahoan’ny fampitomboana ny mofo sy ny fananganana an’i Lazara hiala amin’ny fahafatesana.
Azo ambara àry fa ity fanasitranana izay nataony ity dia fampisehoana ny herin’Andriamanitra ho an’ireo tsy mpino. Tsy ny Jody izay iray tanindrazana aminy ihany no tiany tsy voageza amin’ny fatoran’ny aretina fa ny olona rehetra mihitsy. Niaiky ny olona rehetra àry fa dia tsara daholo izay nataon’i Jesoa, hany ka niely hatraiza hatraiza izany lazany izany na dia efa norarany mafy ary izy ireo tsy hanambara an’izany. Ny tsara izay nataony mantsy dia tsy mba nilàny voninahitra na oviana na oviana satria ho Azy, Andriamanitra Ray ihany no nanokanany an’izany.
Tompo ô, afaho izahay amin’ny fatorana mangeja anay.