Alakamisy 20 febroary 2020 — Herinandro fahenina mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 8, 27-30 — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

0 : 00

Azo lazaina hoe: “ivon’ny Evanjely ity fanekem-pinoan’i Md Piera” ity ho an’i Md Marka, satria eto amin’ity Evanjely ity no manomboka mazava ao an-tsain’ny mpianatra sy ny mpanara-dia an’i Jesoa ny maha Izy Azy eto. (Mk 1, 1).  Mesia tsy araka ny andrasan’ny maro fa Mesia hanatanteraka ny fandaharan’Andriamanitra: Mesia handalo fijaliana, fahafatesana fa hitsangan-ko velona.

I Md Piera no naneho ampahibemaso ny maha Izy azy an’i Jesoa, tsy iray amin’ireo mpaminany toy ny fahalalan’ny maro fa Ilay nambarany, izany hoe: Mesia ilay voahositry ny Tompo. Ny fanambarany ny fahafatesany sy ny fitsanganany ho velona no sitraky ny Ray hahatanteraka ny famonjena antsika olombelona ka izoran’izay mino sy manara-dia Azy ary anehoana mazava koa fa tsy Mesia araka ny maha olona no tena maha Mesia Azy fa ny famerenany antsika olombelona indray ao amin’Andriamanitra, dia ny hatonga antsika ho zanaky ny fitsanganan-ko velona hidirana any amin’ny fiainana mandrakizay.

Lalan’ny fanetren-tena anehoan’Andriamanitra ny fara-fitiavana antsika olombelona io lalana diavin’i Kristy io, lalan’ny Hazofijaliana ahafoizany ny ainy izorana any amin’ny fitsanganan-ko velona. Ary lalana nosoritany ihany koa arahin’ireo manara-dia Azy, hanaiky sy hanatanteraka hatramin’ny farany ny sitrapon’Andriamanitra.

Ry Havana, tsarovy fa ny hazofijalian’i Kristy no rehareha ho antsika mino sy manara-dia Azy: tsy iaretantsika ny mafy noho ny maha kristianina antsika fotsiny anefa fa itokiana koa ny herin’Andriamanitra. Banjino ary i Kristy dia ho mafy orina ny fanatenantsika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...