Alarobia 31 aogositra 2022 — Herinandro faharoa amby roapolo mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny fanambarana avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 4, 38-44

Mety hiteny angamba isika hoe : "Satria ve mpianatr'i Jesoa i Simona, matoa Izy naniky hanasitrana ny rafozam-baviny." Tsy dia izany loatra fa i Jesoa ihany no nilaza hoe: "Tsisy tsy azo atao ho an'izay mino" tsy nijanona fotsiny tao amin'i Simona ny finoany an'i Jesoa fa nozarainy, niainany ary nandray izany ny rafozam-baviny ka nino sy natoky fa afaka manasitrana azy i Kristy. Ary tsy nijanona teo ihany izany fa niely eran’ny tanana, antony nahatonga ny olona nitondra ny marary teo Aminy mba hositraniny sy hikaroka Azy hatraiza hatraiza. Ilazana amintsika fa ilana finoana ny fahasoavana, finoana itokiana ny herin’Andriamanitra sy iainana ny fahasoavana azo. Io no endrim-piainana vaovao ho an'ireo nandray fahasoavana.

Henontsika teo fa rahefa sitrana ravehivavy, rafozam-bavin'i Simona, dia nitsangana ary nampihinana azy ireo. Io fihetsika io no fiainana sy tohin'izay raisintsika amin’Andriamanitra : manompo, fiainana ny fitiavana natoron'i Kristy. Ny fahasoavana angatahintsika manko tsy natao ho an’ny tenantsika fotsiny fa natao hankahery sy hanampy antsika hanompo ny hafa. Anisan'izany ireny Sakramenta raisintsika ireny, sady mamaritra ny fiainam-panahy tokony hiainana no maniraka antsika handray andraikitra manoloana ny hafa. Ary natao iainana ireny fa tsy raisina fotsiny ihany.

Raha tsy eo anefa ny finoana dia zava-poana avokoa izany. Koa halalino hatrany ny finoantsika mba tsy hahavery anjara antsika amin'ireo fahasoavana omen’Andriamanitra antsika ary hahaizantsika koa mampamokatra izany amin’ny fanompoantsika ny hafa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...