Alarobia 20 aprily 2022 — Alarobia amin'ny havalonandron'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 24, 13-35

Anjaran'i Masindahy Lioka no milaza amintsika anio izay zava-niseho tao aorian'ny nitsanganan'i Kristy ho velona. Mpianatra roalahy, niala tao Jerosalema ho any Emaosy, lalana tokony  ho iraika ambin'ny folo kilometatra, toa very hevitra erý eny an-dalana. Olona diso fanantenana, izany no filazan'i Masindahy Lioka azy : "Nanantena izahay fa hoe... kanjo indro fa androany izao...". Tsy mbola resy lahatra mihitsy ny amin'izay nolazain'i Jesoa taminy hoe : "Hitsangana afaka hateloana..." sady toa tsy misy famantarana kely akory hoe : "hamantatra sy hino" na dia efa i Kristy izao aza no miara-dalana aminy. Fomba fiasan'i Kristy mantsy ny manao dingana voalohany, mifandray amin'izay tiany hahalala sy hahafantatra azy, ary miaraka amin'ny fanazavana ny Soratra Masina mandrakariva. Eto dia izay voalazan'i Môizy sy ny mpaminany momba azy no novoasany tamin'ireto roalahy ireto, izay mampiseho fa tsy misy fahatapahany mihitsy ny tetikasan'Andriamanitra hatramin'ny Testamenta Taloha ka hatramin'ny Testamenta Vaovao, eny fa na dia nisy aza ny fahafatesan'i Kristy, kanefa noreseny izany fahafatesana izany.

Eto koa dia te hanaporofo i Kristy fa mahalala ny fahasahiranantsika sy ny fahakiviantsika olombelona, ka izy mihitsy no mitady fomba hankaherezana antsika amin'ny nanekeny ny fangatahan'ireto mpianatra roalahy sy ny nitsofany rano ny mofo izay tandindon'ny Eokaristia manambara ny fitsanganany ho velona. Noho izany, tsy tokony ho kivy isika na koa hoe ho diso fanantenana manoloana ny faharefoan'ny finoantsika fa eo indrindra i Kristy, miara-dalana amintsika mandrakariva.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...