Alarobia 18 desambra 2019 - Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo.
Evanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Masindahy Matio 1, 18-24.
Andro fahavalo mialoha ny fankalazana ny Noely isika anio, tarihan'ny Evanjely hibanjina ny toetra nananan'i Masindahy Josefa, ilay Ray nanankinan'Andriamanitra ny zanany.

0 : 00

Ny tsy fitenenan'i Masindahy Josefa dia maneho fa miasa izy hahatanteraka ny fampananten'Andriamanitra tamin'i Izaia Mpaminany (7, 14): "Ny tenan'ny Tompo no hanome famantarana anareo. Indro manana anaka ny Virjiny, ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hatao hoe: Emanoela, izany hoe: Amintsika Andriamanitra."

I Masindahy Josefa, noho izy lehilahy marina teo anatrehan'Andriamanitra sy ny Teniny ary teo anatrehan'ny vahoakany no nofidian'Andriamanitra ho Ray Mpitaiza ny Zanany. Ka nanao araka izay nandidian'ny Anjely azy. Tsy mba nametraka ny tenany ho sakana tamin'ny fandaharan'Andriamanitra sy ny asany izy, momba ny Zanany izay tonga nofo tao ankibon'i Maria Virjiny, noho ny herin'ny Fanahy Masina, fa nandray ny adidy maha ray azy na teo anatrehan'ny lalàna na teo anatrehan'i Masina Maria nitoe-jaza noho ny Fanahy Masina na tamin'ny fanomezana anarana ny Zaza. Ary nanaiky tsy ho hita sy tsy ho re mba hiharihary sy ho tanteraka ny fandaharan'Andriamanitra dia ny hahatonga nofo ny Zanany. Fa io Zanany tonga olombelona io no Mpamonjy an'izao tontolo izao, hanafaka ny olombelona amin'ny ratsy sy hanome azy ny fiainana, dia ilay fiainana ao amin'ny Trinite Masina.

Tsarovy àry fa misy fandaharan'Andriamanitra tiany ho tanteraka ao amintsika sy amin'ny alalatsika indrindra ihany koa. Koa mahaiza maka tahaka an'i Masindahy Josefa hijoro ho marina sy tsy hanan-tsiny ary hankatoa izay hitarihan'Andriamanitra antsika mba hiharihary ny fiaraha-monintsika amin'Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...