Talata 28 janoary 2020 — Herinandro fahatelo mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 31-35 — Sambatra ireo mitana ny tenin'Andriamanitra amin'ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin'ny faharetana.

0 : 00

Ity ampahan'ny Evanjely nosoratan'i Masindahy Marka ity dia tsy azo raisina ara-bakiteny na hanina amam-bolony ka entina hilazana fa manan-drahalahy i Jesoa. Marina fa niteny ilay olona hoe: "Ao ny reninao sy ny rahalahinao mitady anao". Olona mpiara-monina aminy tokoa io satria mahafantatra ireo lazaina ho rahalahiny, mahafantatra azy satria tonga nanatona azy ihany koa. Fanontaniana no navalin'i Jesoa azy, "Iza mo no reniko sy rahalahiko?" Izy Jesoa ihany no namaly izany rehetra izany, fa izay manao ny sitrapon'ny Rainy no rahalahiny sy anabaviny ary reniny.

Asandratr'i Jesoa mitovy hasina aminy izay manao ny sitrapon'Andriamanitra ka raisiny ho mitovy aminy tanteraka. Ohatra ho antsika eto ny Renin'i Jesoa, ka nampivolana azy nanao io fanambarana lehibe io. Nasandrany ho ambony ny Reniny, indroa Reniny, nefa i Maria ihany io. Reny nitondra am-bohoka azy, ka tonga nofo tao amin'i Maria ny Teny. Reniny, ambonin'izay satria i Maria no làlan'ny sitrapon'Andriamanitra. Nivelona sy nanatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra tokoa izy araka ny teniny: "Aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao".

Sarotra ho antsika olombelona ny hanao ny sitrapon'Andriamanitra raha tsy mivelona ny fanetren-tena isika. Modely ho antsika, ary ohatra alain-tahaka ny Renin'i Jesoa eto. Samia àry miezaka ny fandavan-tena sy ny fanetren-tena.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 febroary 2025

• Nanome hafatrafatra ho an'ireo mpitandro ny filaminana sy ireo miandraikitra ny filaminana eran-tany ny Papa François, nandritra ny fanamarihana ny Jobily 2025 ho azy ireo... • Hafatra ho an'ireo seminarista, indrindra ho an'ireo vao niditra taona voalohany, ao amin'ny Grand Séminaire Faliarivo Ambanidia, no natolotry ny Solontenan'ny Ray masina miasa eto Madagasiakara, nandritra ny Symposium notanterahana ny zoma sy ny sabotsy lasa teo... • Nanentana ny mpitandro ny filaminana hiahy sy hiaro hatrany ny ain'olombelona ny Papa François, nandritra ny toriteniny teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Piera, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...