Zoma 18 marsa 2022 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana; ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 21, 33-43. 45-46

Maneho antsika ny fitiavan’Andriamanitra antsika vahoakany ity fanoharana mahakasika an’ireo mpamboly voaloboka ratsy fanahy. Nasehony tamin’ny fihetsika anankiroa izany fitiavany izany : namboly foto-boaloboka iriny hamoa Izy avy eo tsy sasatra naniraka ireo mpiasany mba hioty ny vokatra.

Nofidin’Andriamanitra ho vahoakany isika ary nankininy tamin’ny vondron’olona mpamboly voaloboka avy eo mba ho voaaro amin’ireo fahavalo, mba ho voakarakara sy ho voakolokolo ary indrindra indrindra mba hamoa be. Nanao fifanarahana tamin’ireo mpamboly Izy, fifanarahana izay mampahatsiahy antsika ilay fifanekem-pihavanana teo am-pototry ny tendrombohitr’i Sinaia. Tian’Andriamanitra hamoa isika vahoakany, izany hoe tiany hamoa ny fitiavana Azy sy ny namana, indrindra ireo voageja izay mila ny fanajana avy amintsika ny rariny sy ny hitsiny. Marihina fa arahin’Andriamanitra akaiky ny fivoarantsika voalobony.

Indrisy anefa fa nanitsakitsaka ilay fifanarahana ireto mpamboly voaloboka. Toy ny mihevitra ho tompony izany izy ireo fa tsy mpiasa na mpikarama fotsiny. Tsy nipetra-potsiny Andriamanitra fa nitady hevitra hahazahoany indray ny tanimbolony tamin’alalan’ny fandefasana ireo mpaminany nifandimby sy i Jesoa Kristy Zanany Lahitokana.

Hanazava ny hevitr’ireo fampanantenan’Andriamanitra sy hanadio ny fitondran-tenan’ny vahoakan’Andriamanitra no antodian’ireo mpaminany. Tsy nahomby anefa ny iraka nampanaovina azy ireo, fa nisy tamin’izy ireo no nampijaliana sy novonoina mihitsy aza. Nandefa ny Zanany Lahitokana Izy fa mitovy tamin’iretsy teo aloha no nahazo Azy fa saingy tonga Vatofehizoro Izy na dia natao tsinontsinona aza.

Asaina isika hitahiry ny fifidianan’Andriamanitra antsika ka hilofo amin’ny fitiavana Azy sy ireo mahantra ary ny mijaly ao anatin’ny fankatoavana an’i Jesoa Kristy Ilay Vatofehizoro natsipin’ireo mpanorin-trano.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...