15 desambra 2019 — Alahady faha-3 amin'ny fiavian'i Kristy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 2-11 — Antomotra ny Noely, izay fotoana lehibe ho an'izao tontolo izao, satria Izy Andriamanitra amin'ny alalan'ny Zanany no miditra eo amin'ny tantaram-piainantsika olombelona, hitondra fanavotana sy fiainam-baovao mba hahatonga ny Fanjakany ao am-pon'ny tsirairay sy ao amin'ny fiainantsika olombelona.

Ny hanorina io Fanjakan'Andriamanitra io no hatongavan'ny Mesia: hampanalavitra antsika amin'ny ratsy hahazoana ny atao hoe "Famonjena".

Tsy hoe te hahafantatra ny maha-Mesia Azy, ilay ho tonga, fotsiny eto i Joany Batista, maniraka ny mpianany ho any amin'i Kristy, manotany hoe: "Ianao ve no ilay ho avy?" fa te hampahafantatra sy hanoro koa izy fa efa eo anivontsika Andriamanitra, miara-monina amintsika amin'ny alalan'ny Zanany. Fa io Zanany io no hanafaka ao am-pon'ny olona ireo aretim-panahy, hatongavan'ny Fanjakan'Andriamanitra eo amin'izao tontolo izao, hizorany eo amin'ny fiainam-baovao ao amin'Andriamanitra indray dia:

  • ny fahajambana ara-panahy tsy ahitan'ny olona ny fitiavan'Andriamanitra;
  • ny kilema vokatry ny fahotana ka mahatonga azy tsy handeha araka an'Andriamanitra, hampanjaka ny fitiavana sy ny fahamarinana;
  • ny hanokatra ny sofina mba hihainoana an'Andriamanitra sy ny antsoantson'ireo madinika miantso vonjy esty sy eroa ary ny fahafatesan'ny "conscience" na ny feon'ny fieritreretana mba hanaovany ny tsara sy izay mahamendrika azy eo anatrehan'Andriamanitra.

Isika olombelona tsirairay no hatongavan'ilay Mesia, isika marary no mila Azy mpanasitrana. Fa mba hahalavorary sy hahatanteraka ao amin'ny tsirairay io asa sy iraka ahatongavan'ny Mesia io anefa, dia mila maka tahaka an'i Joany Batista isika: handresy ny tahotra sy ny tsy fahombiazana mba hatoky ny herin'Andriamanitra ao amin'i Kristy. Tsy ho mpanara-drenirano, toy ny volotara ahetsiketsiky ny rivotra, fa hiorina mafy amin'ny finoana ary tsy hifaninana amin'izay manodoka na ny fisehoana ivelany fa hitafy ny fahatsorana sy fanetren-tena. Fa izany indrindra no maha lehibe, amin'izay natera-behivavy, an'i Joany Batista teo anatrehan'Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...