Fety lehibe , tsy afaka misaraka amin'ny Noely ny Epifania. Misy hevi-pinoana lalina fonosin'izany. Fandalinam-pinoana miaraka amin'i P. Justolat E. Rafaralahimboa:

0 : 00

Avy amin’ny teny grika hoe “epiphaneia” io teny io. “Manifestation” ny dikany amin’ny teny frantsay fa mifanakaiky amin’ny “theophany” kosa raha ny heviny. Amin’ny voambolana kristianina dia maneho ny fisehoan’Andriamanitra amin’ny olona ity epifania ity, izany hoe, fampahafantarany sy fanehoany ny maha izy azy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy tonga olombelona. Izay no hevitra lalina fonosin’ny fankalazana ny Epifania.

Tany amin’ny Eglizy tatsinanana no nanomboka ity fankalazana ity tamin’ny taonjato faha VI ary ny 6 Janoary no fanamarihana azy. Nampifanarahana foana tamin’ny fankalazana ny nahaterahan’ny Mpamonjy io fetin’ny Epifania io nandritra ny fotoana maro tany aloha fa rehefa niady hevitra mahakasika ny misterin’ny fahatongavana ho nofo ny Eglizy tandrefana sy tatsinanana (mimbona amin'ny Eglizy katolika) dia nifanaraka fa ny 25 desambra  hankalazana miaraka ny Noely ary  6 janoary ny fankalazana ny Epifania.

Mifototra tamin’ny fankalazana ny batemin’i Kristy ny fety lehibe fankalazana ny fisehoan'ny Tompo ho an'ny Eglizy tatsinanana. Ny batemin’i Kristy dia fotoana lehibe iray hanehoan’Andriamanitra ny Tenany sy ny maha Ray azy: “Inty no zanaka malalako izay tiako indrindra” (Mat 3, 13 ss, Mk 1, 9 ss, etc), manome mazava ho antsika ny hevi-panahy fonosin’ny fahatongavany eto amin’izao tontolo izao.

Ho an’ny tandrefana kosa ny fomba notanana dia ny fampifanarahana io fankalazana io amin’ny famangian’ireo mpanjaka majy andro vitsivitsy taorian’ny fahaterahana. Io fomba io dia fampiharana ny voalazan’ny evanjely mitantara ny famangian’ireo majy an’ilay zazakely mpajakan’ny jody vao teraka araka ny fitarihan’ny kintana azy ireo (Mat 2, 1 – 12). Io voalaza ao amin’ny Md Matio 2 io no nampiraisin’ny litorjia latinina amin’ny hevitra lalina fonosin’ny fahatongavana ho nofo. Ireto olon-kendry avy any atsinanana ireto izay vahiny tokoa raha ao Israely dia maneho ny maha tokana nefa maneran-tany ny famonjena entin’ity Kristy teraka ity satria solontenan’ny lafy valon’ny tany ireo. Izany no ankalazaina amin’ny litorjia tandrefana ankehitriny amin’ny andro vitsvitsy aorian’ny fankalazana ny Noely.

Ho an'ny Tatsinanana, dia hanakalzaiana ny 19 janoary ny Epiphanie, araka ny tetiandro "julien", fa ho an'ny Tandrefana sy ireo Eglizy tatsinanana miombona amin'ny Eglizy katolika dia notanana ho ny faha 6 janoary amin'ny ankapobeny fankalazana, nany alahady voalohany aorian’ny 1 Janoary ho an’ny ankamaroan'ireo firenena miteny sy mampiasa ny teny frantsay.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...