Tokony hamindra-fo sy hanetry tena ny raim-pianakaviana, hoy ny fampianaran'ny Papa François, ary tokony hanam-paharetana izy ireo amin'ny fanabeazana ny zanany. Tohin'ny katesizin'ny Papa François momba ny fianakaviana, ataon'i P Justolt E. Rafaralahimboa:

0 : 00

Ny ray tsara, izany hoe ny ray heverina ho tena miahy sy mipetraka amin’ny maha raim-pianakaviana azy, araka io fanoharana ny toetran’ny ray ao amin’i Lioka 15, 11 – 32 io dia ny maharitra miandry am-pahatoniana sy faharetana ny zanany ary mamindra fo sy mamela. Ny famelana na ny famindram-po dia mariky ny tena fitiavana. Io famelana io dia famelana amin’ny fo tokoa fa tsy ilay fombantsika tsy mety afaka indraindray hoe tsy miady, tsy miady nefa ny kibay an-kelika ihany. Misy milaza mamela nefa mbola manao an-dolompo indraindray. Fa etsy an-danin’izany koa, hoy ny Papa François, ny ray  sady mamindra fo no mahay manoro sy manitsy ny tsy mety na ny hadisoana ataon’ny zanany ary tsy mitsahatra ny mananatra azy am-pitiavana, noho izany tsy ray be fihetseham-po loatra na ray kanosa fa ray mijoro amin’ny maha raim-pianakaviana azy tokoa. Ilàna fanetren-tena anefa ho an’ny ray io fananarana sy fanitsiana ny hadisoana ataon’ny zanaka io.

Raha misy olona afaka manazava amin’ny antsipirihany ary amin’ny tena heviny lalina ny vavaka “Rainay any an-danitra” izay vavaka nampianarin’i Jesoa antsika, hoy ny Papa François, dia izany olona izany no tena miaina marina ary manana ny toetran’ny ray. Raha tsy misy ny fahasoavana avy amin’ny Ray any an-danitra, izany hoe, Andriamanitra dia ho mora kivy ary mety ho very fanantenana koa ireo ray rehetra ary mety handositra adidy mihitsy aza.

Aza hadino anefa, hoy ny Papa François, fa ny zaza na ny ankizy dia mila izay ray maharitra miandry azy izay ary mahay mamindra fo aminy raha izy iny sendra manao hadisoana na hadalana iny. Misy manko ny ray dia miandry ilay zanany izy fa tsy mba miandry hanitsy na hanoro na hananatra azy fa kosa miandry kendry tohana dia ny hanafay na hanasazy azy no be ao an-doha avy eo. Misy manko ny zaza sendra manao hadisoana na hadalana tena tsy te hahita ny rainy mihitsy na hifanehatra aminy satria matahotra noho ireo ray sasany lozabe. Aza adino anefa fa mila ny rainy mandrakariva izy ireo ary amin’izany indrindra no tena hanaporofoana ny fitiavan-dray tena izy. Raha misokatra aminy manko ny ray eo anatrehan’ny zava-mitranga ao amin’ny fiainany toy izany dia tsy mamela ratra ao am-pony na mahatsiaro tena ho irery izy, fa mahatsapa toy ny tena manana andry hiankinana sy hianteherana, indrindra ho an’ireo zaza efa misy ratram-po na alahelo efa miotrika ao anatiny ao dia tsy misy afa-tsy izay no manasitrana azy, hoy ny Papa François.

Mamarana ny fampianarany momba ny ray na ny raim-pmin’ity katesizy ho an’ny fianakaviana ity, dia manome fankaherezana ho an’ireo ray rehetra. Ny Eglizy renintsika, hoy izy, dia manohana amin’ny fomba rehetra sy ny heriny rehetra ny ray any amin’ny fianakaviana tsirairay avy any, satria izy ireo no antoky ny ho avin’ny taranaka vaovao sy mitohy ary mpanelanelana tsy voasolo ho an’ny hakanton’ny finoan’ny taranaka, dia ny finoana homban’ny faianakaviana ny Papa François ahamarinana ary eo ambany fiarovan’Andriamanitra tahaka an’i Md Josefa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 2 desambra 2024

  • Nosantarina tao amin'ny Distrikan'Ankilikoaka ny fidinana ifotony amin'ny fampiofanana ny katesista, ao amin'ny Diôsezin'i Toliara...
  • Asandrato ny lohanareo ary manana fo velona sy mazava, io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, talohan'ny vavaka Angelus ny 1 desambra 2024...
  • Niangavy ireo mpanao pôlitika Libanais rehetra ny Papa François, mba hifidianan'izy ireo Filohan'ny Repoblika faran'izay haingana indrindra...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...