I Jesoa dia mamela ny fahotan'ny olombelona, ary ny famindrapo no sitrany ; araka ny voalaza ao amin'i Matio 9, 13 : "Mandehana àry ianareo ka fantaro ny hevitr'izao teny izao - ny famindra-po no sitrako fa tsy ny sorona, fa tsy tonga hiantso ny marina aho, fa ny mpanota." ; mbola manamafy izany izay voalazan'i Lioka 23, 34 : "Raiko, avelao ny helony fa tsy fantany izay ataony... Katesizy momba ny vavaka nampianarin'ny Tompo, iarahana amin'i P. Wagner Randriamapandry.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...