Ny kristiana dia sady olom-pirenen'ny tany no olom-pirenen'ny lanitra ; tsy afaka hanao ambanin-javatra ireo toetra roa ireo izy ieo. Teboka roa no misongadina amin'ny fianakaviana ao amin'ny Eglizy sy ny raharaha pôlitika : voalohany, fototra iorenan'ny fianakaviana ny fiombonam-piainan'ny mpivady ; faharoa, tsy araka ny hevitry ny Eglizy ny fitantanana ny raharaham-bahoaka tsy mitsinjo ny fianakaviana. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

Teo anatrehan'ny firongatry ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana miharo fanodinana ara-pôlitika nanomboka tamin'ny 1991 dia namoaka fanambaràna ny Vaomiera maharitry ny Eveka tamin'ny 24 febroary 1995 : Tsy natao hanohana firehan-kevitra pôlitika ny fivavahana iraisam-pinoana, na inona na inona anarana entin'izany ary na inona na inona lanjan'izany eo amin'ny tantaram-pirenena. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

Ny hafatry ny Eveka mikasika ny Eglizy sy ny raharaham-pirenena dia navoaka ny 25 desambra 1973 : tsy anjaran'ny Eveka sy ny Pretra... ny mibaiko ny kristiana amin'ny tsanga-kevitra pôlitika tokony harahiny na ny antoko pôlitika tokony hidirany na haoriny... Ny hany anjaran'ny Eveka sy ny Pretra dia ny manampy ny kristiana hitsara sy handanjalanja ireny raharaha ireny, mifototra amin'ny soa iombonana. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

Ny 29 mey 2018 dia nanao hafatra ny fivondronamben'ny Eveka, namporisika ny kristiana sy ny tsara sitrapo ho tonga mpanangana firenena amin'ny alalan'ny asa sy ny fahamarinana : ho taranaka mpanorina isika raha mifanaja sy manao ny marina, lavitry ny korontana sy ny herisetra, antoky ny filaminana sy ny fikatsahana ny soa iombonana, mitondra amin'ny fampandrosoana maharitra. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...