Tsy misy fakam-panahy miseho amin'ny endrika ratsy izany fa tsara sy manintona mandrakariva. Mila mandinika tsara ny tanora hiroso amin'ny fanambadiana, mety vokatry ny fakam-panahy mantsy izany fa tsy tena fitiavana. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

Ny fakam-panahy dia tena misy ary mambabo fa miankina amin'ny tsirairay ny mandresy azy. Ny endriky ny fakam-panahy dia mety ho olona manam-pahefana, manam-bola, manana bika aman'endrika mambabo fo. Raha te ho lasa lavitra dia mila miezaka mandresy ny fakam-panahy. Tsy entam-barotra akory ny vatan'olombelona fa tempolin'ny Fanahy Masina ary manana hasina. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

okony haka fotoana handinihana tsara ny tanora hifankatia, aza maika ny hamboraka fitia fa diniho tsara aloha fa mety hanodoka ny bika aman'endrika. Raha voahevitra tsara ny antony hifankatiavana dia maro ireo olana voasoroka eo amin'ny fiainan'ny olona roa mifankatia, maro ihany koa ireo olana tsy hipoitra akory. Ny fiainam-pitiavana dia tsy raharahan'olon-droa fotsiny fa raharaham-pianakaviana mifamatotra". Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

Marina fa hery sipernatoraly ny fitiavana, hery ao anaty mivelona sy miaina izay mampiavaka ny olombelona. Mety manana ny faniriany sy hetaheta ilainy ny fitiavana saingy azo fehezina ho an'izay misaina. Ny tsirairay no mibaiko azy satria samy manana azy ny olombelona rehetra. Ny fahalemen'ny tanora maro dia maika loatra ny hiteny hoe "tiako ianao" "izaho koa tia anao". Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...