Manana adidy isika kristianina hiady amin'ny fakam-panahy, satria ao am-pontsika ao no sehatra hisehoan'io ady io ; araka ny voalazan'i Masindahy Paoly "fantatro fa tsy mitoetra ao amiko ny tsara, izany hoe tsy ato amin'ny nofoko" Ny demony dia fanahy, vahaolana hiadiana aminy ny fialana amin'izay rehetra mety ho fakam-panahy... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

I Eva renin'ny velona rehetra dia tandindon'i Masina Maria renin'ny kristiana rehetra. Tsy natao hiara-dalana ny vehivavy sy ny fanahy ratsy, efa fantatra hatrany am-piandohana fa ny vehivavy sy ny taranany no handresy. I Masina Maria sy ny taranany no fampanantenana nambaran'Andriamanitra, an'ireo ray aman-drenintsika lavo tamin'ny fahoatana, fa hanorotoro ny lohan'ny bibilava... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Ny fanomanana ara-tipôlôjika dia olona na zavatra iray hita ao amin'ny Testamenta Taloha manambara olona na zavatra iray ao amin'ny Testamentra Vaovao, manana toeratra hitovizana. Ohatra ilay sambo fiara an'i Nôe, io dia efa mitovy amin'ilay tanàna masina midina avy any an-danitra, izay hiaro ny olona amin'ny fahoriana sy ny fijaliana dia ny Fiangonana izany... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Araka ny Testamenta Taloha dia hita taratra ao ny tantaram-pitiavana, ny fitiavan'Andriamanitra ny olombelona ; porofom-pitiavan'Andriamanitra ny fampanantenany ny fahatongavan'ny Zanany mba hamonjy ny olombelona ao anatin'ny fahotana. Masina Maria virijiny no lalana nahatanteraka ny teny tonga ho nofo.  Nisy foana ny fivadihan'ny vahoaka amin'Andriamanitra anefa misy vondron'olona iray hatrany mifikitra amin'Andriamanitra ary mampitohy ny lalam-pamonjena... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...