Amin'ity taona 2025 dia feno 75 taona no nambaranan'ny Papa Pie-XII, tamin'ny fomba manetriketrika ny 1 novambra 1950, fa rehefa nahavita ny fivahinianana Masina teo an-tany i Masina Maria dia nampiakarina "vatana" sy "fanahy" any amin'ny voninahitry ny lanitra. Tsy niteny mihitsy ny Papa Pie-XII, mikasika izay mety ho fahafatesana na fitsanganan-ko velon'i Masina Maria fa nihanona tamin'ny hoe "nampiakarina" izy... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
Rehefa teraka i Jesoa zazakely dia tao anaty hafaliana tokoa i Masina Maria, maneho ny zanany Mpamonjy tamin'ireo mpiandry ondry, solontenan'ireo mahantra na ireo Majy, solontenan'ireo avara-pianarana satria toy izany no fomba fidiran'ny zanak'Andriamanitra teto an-tany. Tena isan'ny toetra manimba ny fiaraha-monina ny fanilikilihana ireo mahantra, Andriamanitra anefa tsy manavaka... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
Ny "ENY" nambaran'i Masina Maria manoloana ny hafatra nampitondrain'Andriamanitra ny Anjely dia tsy noterena fa hevitra voadinika tsara, ary ohatra ho an'ny olombelona rehetra izany fanekena izany. Raha misy zavatra tsy azo manoloana ny resaka na adidy hifampizarana dia tokony hanontany hatrany fa tsy hanaiky tsy ampy fiheverena sy tsy voadinika tsara... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
Masina Maria no lohalaharana amin'ireo madinika sy mahantran'ny Tompo, izay matoky sy manantena famonjena avy aminy ; ary izy ihany koa ilay zanaka vavy an'i Siôna, nahataperan'ny fetr'andro nandrasana ela araka ny fampanantenana sady nahatanterahan'ny fandaharana vaovao, fa avy aminy no nakan'ny zanak'Andriamanitra ny fomba maha olombelona mba hanalany ny olombelona amin'ny fahotana.... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco