Eo amin'ny fotoana nanomezan'Andriamanitra taranaka an'i Abrahama no nanomboka ny tantaram-pamonjena. Nino Abrahama, tsy nisalasala tamin'izay nolazan'Andriamanitra taminy, nampanantenain'Andriamanitra taranaka maro. Ankoatra an'i Isaaka dia nampanantenain'Andriamanitra fa ho tonga firenena lehibe ny fianakaviana Abrahama. Ny hoe "israely" manana tandrify hoe " combattant de Dieu"... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Andriamanitra manambara ny tenany : manafaka ny olombelona araka ny tantara fanandevozana ny olombelona, Izy Andriamanitra no mpanafaka. Miara-miasa amin'Andriamanitra ny olombelona, mitaky ezaka, Izy Andriamanitra manala antsika olombelon ao amin'ny haizina mikitroka mankany amin'ny fahazavana. Ny Eksaody dia fiampitana, misedra zavatra maro isika fa Andriamanitra ilay tena tia no manafaka antsika hatrany... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ireo 12 lahy zanak'i Jakôba no razamben'ny finoana, I Joseph no niavian'ny zanak'i Israely, ilay zazalahy namidin'ny zokiny. Ny tany nampanantenaina an'i Abrahama (Palestina ankehitriny) dia ilay tany nampanantenaina ny vahoaka sesitany tao Ejipta. Taranak'i Jakôbe ny zanak'israely, dia atao hoe vahoaka Hebrio izany hoe ireo vahoaka izay mandeha mamakivaky tany efitra... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny votoatin'ny fanambaran'Andriamanitra : Andriamanitra manambara ny tenany, namonjy antsika olombelona mandrakariva, Andriamanitra mpahary. Tandindon'i Jesoa Kristy lahitokan'Andriamanitra i Isaaka, ilay nanao ny tena ho sorona, nitondra ny kitay hanaovana sorona azy toa an'i Kristy nitondra ny hazo fijaliana. Isaaka no niteraka an'i Jakôba izay nitombo sy nisandrahaka tamin'ny foko 12... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco