Ny antony hanajana an'i Masina Maria dia noho ny iraka vaovao nomena azy, iraka ho renin'ny olombelona rehetra, tandidin'ireo mpianatra malalan'i Jesoa. Ho fanajana an'i Masina Maria dia manaova saple, manadra-bavaka, manaova anjelisy. Misy teny finoana efatra hanajana an'i Masina MAria : Renin'Andriamanitra, Virijiny Mandrakizay, tsy voakasiky ny fahotana, nampakarina any an-danitra... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
Nomen'Andriamanitra fahasoavana manokana i Masina Maria, niteraka ny zanany, ambony noho ny olombelona, eny, ambony noho ny anjely ihany koa. Efa ela ny tsy mpino no nanaja ny renin'Andriamanitra, fa niroborobo ny fanajàna taorian'ny Kônsily tany Efezy, rehefa nambara am-pahibe maso fa renin'Andriamanitra i Masina Maria, tamin'ny taona 431... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
Masina Maria ilay olombelona toa antsika ihany dia manana finoana, azon'ny olombelona rehetra alain-tahaka. Masina Maria dia môdeli-pinoana, ny fomba niainany dia ny finoana no mialoha ny fahagagana, izay mahatonga io tranga farany io ho tanteraka. Masina Maria dia tsy miandry fahagagana vao hino, ary izany no nampitombo finoana tsikelikely ny Apôstôly... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
I Masina Maria dia mpanalalana (médiatrice), sady mpisolovava (paraclet) miankina tanteraka amin'ny Fanahy Masina sy Jesoa Zanany. Masina Maria dia mpiara-miasa voalohany amin'Andriamanitra amin'ny famonjena ny olombelona. Masina Maria dia renin'Andriamanitra no sady mpikambana voalohany ao amin'ny Eglizy, io no mamaritra fa olombelona tanteraka i Masina Maria na niteraka ny zanak'Andriamanitra aza... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
• Nodimandry androany teo amin'ny faha-98 taonany, i Mgr Raymond Razakarivony, Eveka emeritan'ny Diosezin'i Miarinarivo... • Manoloana izao zava-misy eto Madagasikara izao, dia ny fahaverezan'olona sy ny fahafatesan'olona, dia misy ny fanambarana sy ny fanentanana ary ny hafatra avy amin'ny Finvondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... • Asehon'i Kristy ny fahalalahan-tananan'Andriamanitra mpamafy ny teny. Navoitran'ny Papa io nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco