Ny fivavahana dia mampiditra antsika ao amin'ny Misterin'ny Trinite Masina amin'ny alalan'ny Jesoa Kristy. I Jesoa Kristy no manokatra ho antsika ny lanitra ka hahafahantsika mifandray amin'Andriamanitra dia ny fifandraisana amin'ilay Andriamanitra tokana olona telo dia ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Katesizy momba ny vavaka sy ny Trinite Masina, iarahana amin'i Frère Grégoire Ramahefarisoa OSsT.

Ny Olomasina no modely amin'ny finoana sy ny faharetana amin'ny vavaka. Masindahy François d'Assise : nanova ny fony sy ny asa nanirahana azy ny fiainany nivavaka sy nisaintsaina ; naharitra nivavaka izy na dia teo aza ny fahoriana. Masimbavy Monica : nivavaka nandritra ny taona maro izy ho an'ny fiovam-pon'ny zanany lahy. Katesizy momba ny vavaka maharitra, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.

Farito mazava tsara ny fikasàn'ny vavaka, ka mifantoka amin'izay tianao hangatahana, tadiavina ny vavaka atao. Mangataha dia homena ianareo, mitadiava dia hahita, mandondona dia hovohana ianareo. Katesizy momba ny vavaka maharitra, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.

Tahaka ilay toetra ao amin'ny fanoharana izay tsy maintsy mitsena vahiny tonga tsy nampoizina, mandeha mandondona ny tranon'ny namany amin'ny misasakalina ary mangataka mofo. Namaly ilay namany hoe "Tsia!" satria efa eo am-pandriana izy, nefa miziriziry mandra-panery azy hitsangana hanome azy ny mofo, io ilay toetra manao fangatahana maharitra... Katesizy momba ny vavaka maharitra, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...