Rehefa tafahoatra ny fihatsarambelatsihy sy ny fomba amam-panao tsy voahevitra dia misavoritaka ny mpianakavy. Iretsy voalaza etsy aloha dia misy lafiny ratsy sy lafiny tsara amin'ny fifandraisana ara-pianakaviana, tahaka ny zavatra rehetra ihany. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria...
Ny fihatsarambelatsihy dia endriky ny fihavanana ihany koa. Mitranga ny fiatsarambelatsihy rehefa maharitra ny fifaneraserana, rehefa tsy te hifampizara soa. Ny fifosafosàna dia mbola endriky ny fihavanana ihany koa. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria...
Ny fialan-tsiny dia mba hilazàna fa tsy misy lavorary amin'izay nataony ny olona iray. Ny fialan-tsiny ihany koa anefa dia fiarovantena alohan'ny fotoana sy tahotra ny ho tsikeraina. Manana fahazarana manao zavatra atomotra sy tsy ara-potoana ny olona. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria...
Misy kilema ny fihavanana fa tsy voatery ho tsara foana, ohatra amin'izany ny fisehoan'ny fitiavan-tena, fitadiavana tombony. Fomba amam-panao ny "atero ka alao" miendrika fifanampiana, endriky ny fihavanana anefa mampanalasala noho ny vola. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria...
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco