Maria virijina dia niheritreritra mangina, niainga tamin'ny fomba fijery azo refesina : ara-tsaina, ara-panahy, ara-batana. Mety hisy fisalasalana isika fa Andriamanitra dia manome toky sy antoka, ohatra ny niainan'i Maria " Aza matahotra ry Maria". Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Ilàna fandinihina tsara ny mety ho hevitry ny antso ho an'ny olona iray. Maka bahana ara-potoana tsara ary atao feno ny fiomanana. Katesizy momba ny Fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Fanomanana an'i Maria virijiny ny votoatiny hafatra noentin'ny anjely. Taitra ihany Maria virijiny ary mety nisy tahotra tao anatiny tamin'ny faharenesana ny hafatra. Nangina ary nieritreritra tao am-pony izy nandalina ny momba azy sy izay nolazain'ny anjely. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Maria virijiny dia olona mendrika, maha te ho tia. Ao anatin'ny fifampiresahana tamin'i Maria sy ny anjely : ny ARAHABA dia mitovy amin'ny MIFALIA, izay manasongadina fa feno hasoavana izy ary io hasoavana io no miteraka hafaliana feno. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...