Ny fialan-tsiny dia mba hilazàna fa tsy misy lavorary amin'izay nataony ny olona iray. Ny fialan-tsiny ihany koa anefa dia fiarovantena alohan'ny fotoana sy tahotra ny ho tsikeraina. Manana fahazarana manao zavatra atomotra sy tsy ara-potoana ny olona. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria...
Misy kilema ny fihavanana fa tsy voatery ho tsara foana, ohatra amin'izany ny fisehoan'ny fitiavan-tena, fitadiavana tombony. Fomba amam-panao ny "atero ka alao" miendrika fifanampiana, endriky ny fihavanana anefa mampanalasala noho ny vola. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria...
Mety hanimba ny fihavanana ny fifaneraserana andavanandro noho izany ny havana tiana dia tsy hiaraha-monina. Hanamafisana ny fihavanana dia natao adidy ny "mifamangy" ary arahina fanomezana aza izany rehefa andro fety, ho an'ny ray aman-dreny. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria...
Ny fifandraisana eo amin'ny fianakaviana no rohy maha mpihavana. Manana ny lanjany ny fihavanana ary notandroina fatratra teo amin'ny Malagasy. Ny fihavanana dia nahafahana nandrindra fiaraha-monina sy disadisa, ambony lavitra noho ny vola sy ny voninahitra. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria...
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco