Manana anjara toerana lehibe amin'ny famolavolana ny tanora hanana hazon-damosina ny fanabeazana. Fanabeazana izay natao hanoro ny lalana izorana sy ny lalam-pitondran-tena fa tsy hitsikera fotsiny ny voka-dratsin'ny zava-bita. Jesoa nanoro antsika ny lalana ahitam-pahombiazana hahazoana ny hafaliana sy ny fanantenana amin'ny ho avy. Katesizy momba ny fananana hazon-damosina, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.

Mba hahamafy orina ny maha-izy ny tena dia ilaina mandrakariva ny fifampizaram-piainana amin'ireo ray aman-dreny. Ny fifanankalozan-kevira no miteraka ny fifampitokisana ary mampisava ny tahotra. Toetra iray, tokony halavirina ny fivadiham-pitokisana sy ny fanaovana " tsobo-drano-Ramiangaly " satria tsy mampivoatra izany. Katesizy momba ny fananana hazo-damosina, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.

Ny fananana hazon-damosina dia tsy midika ho fikatonana ao amin'ny tena. Ilaina ny fifandraisana sy fifampizarana amin'ny hafa, toy izany koa ny fahatokisan-tena. Mitaky faharetana sy fitozoana ihany koa ny fiainana koa rehefa manomboka zavatra iray dia ezahana mandrakariva ny hahatratra ny tanjona manoloana ireo sedra samihafa. Katesizy momba ny fananana hason-damosina, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.

Betsaka ireo tanora no diso fanantenana noho ny tsy fahombiazana eo amin'ny fiainana. Isan'ny anton'izany ny hakamoana sy ny fiononana fotsiny amin'izay eo an-tanana. Mandiso hevitra azy ireo ny fampanantenana poakaty sy manodoka izay mitondra mankany amin'ny hafaliana sandoka. Ilaina ny fahaizana mandanjalanja manoloana ireny. Katesizy momba ny fananana hazon-damosina, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...