Maro ireo voaantso hanorina sy hiaina fiainam-pianakaviana. Ny fiombonan'ny mpivady dia efa asan'Andriamanitra sahady : "aoka izay nakamban'Andriamanitra tsy hosarahin'olombelona" (Mt 19,6). Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Tsy asa fivelomana ny antso maha pretra, fa hitakiana fahaiza-manompo : fahaizana manaiky, folahana ny sitrapo hanaiky ny fanompoana izany hoe tia ny vahoaka an'Andriamanitra. Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Anjara toeran'ny mpanabe eo amin'ny fandanjalanjana ny antso : Mitaratra ny fiainam-panahy, fiaraha-monina, fahalalana ary fahasalamana. Tombanana mba hirindra tsara ireo. Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Miankina amin'Andriamanitra miantso "ny antson'Andriamanitra". Mifampiakina amin'ny fifandraisan'ilay voaantso sy Andriamanitra ; mila olona hanampy izy hamaly ny antso henony. Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...